Bel’Air Ampandrana – Aritista marobe nahazo fanampiana tamin’ny mpanohitra

Helisoa

Artista marobe no nahazo fanampiana tamin’ny mpanohitra omaly teny Bel’Air Ampandrana.

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny vahoaka Malagasy ankehitriny, manoloana ny fanapahankevitry ny fitondram-panjakàna amin’ny fihibohana tsy mitsinjo vahoaka, fa atao araka izay mahamety azy fotsiny. Manolona izany, isan’ny tena voa mafy ny artista, satria misy dia tsy manana antom-pivelomana hafa afa-tsy ny fampisehoana ny kantony fotsiny. Roa taona anefa izao, tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy izy ireo. Noho izany, nisy ny antso nataon’ny mpanakanto Mamy Be tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy ho an’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, izay nolazaina fa ray amandreny lehibe eto amin’ny firenena koa , satria tsy mijery azy ireony mpitondra fanjakàna mahefa, tsy mijery ny fahasahiranana mahazo azy ireo.

Nanoloana ny antso nataon’ireto farany dia avy hatrany dia tsy niandry ela ny filoha Marc Ravalomanana sy ny mpikambana RMDM, fa avy hatrany dia nanolotra vary 50 kitapo miampy voamaina ho azy ireo, mba ho voin-kava-mahatratra ho fifanampiana eo amin’ny samy Malagasy. Santatra ambavarano ihany izao hoy ny filoha Marc Ravalomanana fa ny manetsa be mbola ho avy. Faly sy ravo ireo artista aman-jatony noho ny fanampiana nomena azy ireo.

Na vary iray kapoaka aza no nomenareo hoy ny mpanakanto Mily Clément dia efa mahafaly anay satria vokatry ny fonareo. Eto izahay hoy izy dia mankasitraka anao prezida Ravalomanana noho ny famonjena nataonao anay. Nitokiky na nihomehy nikakakaka niaraka tamin’ny tononkalo ady rima nataon-dRamora Favori ihany koa ny rehetra nandritra izany.