Fampianarana – Niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra

Aly

Niverina an-tsekoly nanomboka omaly indray ireo mpianatra rehetra manerana ny Nosy, amin’ny ambaratonga voalohany ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony, na ny miankina amin’ny fanjakana na tsia. Ireo eny amin’ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana, no mbola tsy tena tafaverina an-tsekoly noho ny fitaterana amin’ny zotra nasionaly mbola mikatona hatramin’ny anio, maro ireo mpianatra avy any amin’ny faritra samihafa no mbola tsy tafaverina eto an-drenivohitra. Mbola tsy nianatra avy hatrany koa izy ireo, noho ny fitokonana misy ataon’ireo mpandraharaha eny anivon’ny Anjerimanontolo manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana, satria tsy voaloan’ny fanjakana ny karaman’izy ireo nandritra ny volana maromaro. Ny amin’ny ambaratonga voalohany sy faha-2 ary faha-3 kosa dia efa saika nanomboka nianatra avokoa ireo mpianatra nanomboka omaly.

Ho an’ny maro dia efa tsy andrin’izy ireo izay fiverenana an-tsekoly izay, ho an’ny zaza madinika kosa, ao ireo mbola kamokamo satria lavalava izay fotoana tsy nianarany izay, noho ny hamehana ara-pahasalamana nisy sy mbola mitohy hatramin’izao. Raha araka ny fanehoan-kevitr’ireo mpanabe tao aorian’izay fotoana lavalava tsy nianarana izay, misy fiantraikany amin’ireo mpianatra izany hoy izy ireo, satria na any am-pianarana aza sarotra ny fifantohana ho an’ireo mpianatra, mainka fa any an-trano, sarotra ho an’ireo ankizy ny hamola-tena hianatra samirery izany. Nanomboka omaly alarobia arak’izay, niverina nandingana ny tokontanin-tsekoly indray mpianatra amin’ny kilasy antenantenany tamin’ireo faritra 4 farany mbola nikatona, dia Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anôsy, rehefa nisy fiatoana nandritra ny roa volana sy tapany teo, noho ny valanaretina coronavirus. Efa anatin’ny telo volana faha-3 ny taom-pianarana 2020-2021, ho an’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Hiverina hanohy ny fianarana ihany koa ny mpianatra amin’ny anjerimanontolo. Mbola mamarana ny taom-pianarana 2019 – 2020 ny Oniversite amin’izao. Ho an’ireo hanala fanadinam-panjakana, efa miha-manakaiky ny daty, heverina fa efa ao anatin’ny fanaovana famerenana sy fiomanana amin’izany fanadinam-panjakana izany izy ireo. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary ireo mpianatra rehetra manerana ny Nosy, hahatontosa soa aman-tsara ity taom-pianarana ity.