EDITO 3 Jona – Fiainam-pirenena – Ho takona indray ny 1 volan’ny ankizy sy ny teny malagasy

Sôh’son

Volana manana anjara toerana lehibe eto amin’ny firenena ity volana jona diavina ity. Zava- telo loha farafahakeliny no hisongadina; eo ny fanamarihana ny teny Malagasy; eo koa ny iray volan’ny ankizy, ary ny farany ny fankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovantena. Ny tsikaritra, asongadin’ny fitondrana ity farany, ary io no tena maha maika azy isan-taona, fa hahafahana misehoseho miaraka amin’ny mpitandro filaminana mpanohana azy. Mazava loatra fa tsy maintsy ho takona hatrany ireto andro fanamarihana roa lehibe ireto izao, fa efa fihetsika fahita isan-taona ataon’ny fitondrana izany. Tsy lavina fa zava-dehibe tokoa ny fetin’ny fahaleovantena, kanefa manana ny lanjany ihany koa ny momba ny teny Malagasy sy ny ankizy.

Anisan’ny atao ambanin-javatra ny fiarovana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara. Maro ny zanaka Malagasy no mbola miaina anaty fahoriana sy fijaliana mafy mandraka ankehitriny. Tsy misy ny politika mazava momba izany. Iaraha-mahita ny fitomboan’ny isan’izy ireo eny an-dalambe rehetra eny, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto an-drenivohitra fotsiny. Be ny lasa mpangataka fa terena sy irahin’ireo ray aman-dreniny amin’izany. Maro ireo matoritory fotsiny eny rehetra eny tsy misy mpiahy. Dia manorisory ny maro ny fahitana ny firohotr’ireo fikambanana milaza ho mpiaro ny zon’ny zaza rehefa amin’ny volana toy izao, dia avy eo tsy hita sy tsy re intsony indray. Ny minisitera misahana ny mponina tsy hita izay hafitsony amin’ny famahana olana, nefa tena andraikiny feno izany. Raha mbola misy olona indrindra fa zaza manjenijeny fotsiny eny rehetra eny fa tsy misy mpiahy dia ny ministeran’ny mponina no tomponandraikitra voalohany amin’izany.

Sehatra iray lehibe anehoana ny fiandrianam-pirenena sy maha izy ny firenena ny teniny dia ny teny Malagasy izany. Hatraiza ny fanajan’ny fitondrana an’izany. Izy no mpitarika sy tokony ho môdely tanteraka amin’izany, fa tsy andrasana ireo fikambanana mpandala azy akory izany. Efa resaka mandeha tato ho ato ny tsy fahafehezan’ny filohan’ny Repoblika ny fiteny Malagasy. Iaraha-mahita tsara ihany koa izany amin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny eo anivon’ny governemanta. Tsy hita izay finiavan’ny fitondrana hanindrahindra izany fa ny teny vahiny, mazava loatra, no idedadedahana. Tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny firaisankinan’ny Malagasy sy ny fanajàna ny soatoavina izany tranga izany.

Raha manana ny fitiavan-tanindrazana marina ny mpitondra sy manam-pahefana rehetra isan-tsokajiny, dia izy ireo no tokony ho voalohany hanindrahindra ireo sehatra roa lehibe ireo, fa tsy any amin’ny fankalazana ny 26 Jona no miseho ho amin’izany. Ny fahaleovantena ary ity tsy mbola madio mangarahara akory fa mbola misy dian-tanan’ny mpanjanatany frantsay, na ireo mpitondra politka maloto frantsay ao ambadika, izay miezaka mifofotra mafy hihazona ny geja sy fatorana ataony hatrany amin’ity firenena ity. Ny fankalazana sy fetin’ny fahaleovantena dia karazany tapi-maso atao amin’ny vahoaka Malagasy ihany hatreto.