Ravalo niantsena teny Ambohimanarina – «Manana vahaolana aho matoa mitsikera »

Nangonin’Isambilo

Teny Ambohimanarina ao amin’ny Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra indray no niantsena, sy nitafa mivantana tamin’ireo vahoaka sy mpivarotra omaly, ny filoha Marc Ravalomanana.

Nambarany nandritra izany, fa manana vahaolana amin’ny olana eto amin’ny firenena izy matoa mitsikera ny tsy fahombiazan’ny fitantanan’ny mpitondra amin’izao fotoana. Noanteriny fa tokony homena ny toerana sahaza azy, hahafahany maneho hevitra ny mpanohitra, fa tsy atao halako bika tsy tiako tarehy. Zo ny maneho hevitra eny an-dalambe am-pilaminana hoy izy. Tsy misy hanaraka ny mpanohitra raha toa ka mandeha amin’ny lalana tokony ho izy ny mpitondra, saingy tsy izay ny zava-misy, satria matoa mbola misy mpanaraka izy ireo dia leo sy vizaka ny olona hoy ny filoha Marc RAVALOMANANA.

Efa manjaka eto avokoa ny karazana krizy rehetra, toy ny krizy ara-pahasalamana, ara-toekarana, ara-tsosialy,… noho ny fitantanana ny firenena izay tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Mila olona mahafehy azy ny fitantanana ny firenena hoy Ravalo, satria tsy andrakandrana izany fa tena izy. Mandroso mihemotra foana rehefa maka fanapahan-kevitra ny fitondrana Rajoelina hoy ihany i Dada.

Ankoatr’izay, mila manana ny tanjona kendrena ihany koa ny fitondrana ny firenena, fantarina ny hoenti-manana, hahafahana manatratra an’io, fa tsy be resaka be fahatany fotsiny. Hatreto anefa dia izay no tena hita taratra amin’izao fitondrana izao. Ary raha tena te-hanarina ny firenena tokoa dia tsy ny fisehosehoana hanao foto-drafitr’asa no maha maika raha amin’izao fotoana izao, toy ny building sy ny tariny, satria tsy izany no tena ilain’ny vahoaka. Famokarana eto an-toerana no tena tokony hilofosana, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny vondron’ny mpanohitra RMDM sy ny antoko TIM.