Antananarivo, Fianarantsoa, Antsiranana – Fitondrana tsy mahaloa volan’olona amin’ny Oniversite

Ny Valosoa

Mitaraina avokoa amin’izao fotoana ny mpiasan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, Antsiranana ary Antananarivo, fa tsy voaloa ny volan’izy ireo. Fitondrana tsy mahaloa volan’ny mpiasan’ny Oniversite arak’izany izao ftiondran-dRajoelina izao. Ankoatra izany, miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka malagasy, ireo mpitondra izay nanao fampanantenana mihoa-pampana, tsy hita izay vitany fa vao mainka aza manampy trotraka ny fahasahiranambahoaka.

Ny zava-mitranga tamin’ny faran’ny herinandro nisian’ny fihibohana teo dia nampiseho mibaribary ny tsy firahirahiana vahoaka nataon’ny fitondrana.

Tsy navela hitady vola ireo mpivarotra anana sy mpivarokena ary hanimasaka, f’ireo “épicerie” sy mpivaro-panafody hono no afaka mivarotra malalaka, ny dikan’izany dia tsy zava-dehibe ho an’ny mpitondra ny fiveloman’ny olona, fa ny fankahalana ny Filoha Ravalomanana no mibahana ao antsain’ny mpitondra, tsy mahagaga raha ny mpivarotra teny Ambohidahy Ankadindramamy, izay nandalovan’ny Filoha Ravalomanana, ka nivoahan’ireo fitarainambahoaka samihafa, no nokendaina voalohany, dia mody norarana koa ireo mpivarotra tany amin’ny faritra hafa. Ireo mpitandro filaminana dia ireny niaraha-nahita ireny ny nataony, fa nopotehina ny entan’olona, dia miala ilany Ingahy ”Préfet“ nilaza fa nisy nisandoka hono ny fahefampanjakana, ka ho hita eo ny fanadihadiana mikasika izany, dia manantena ny vahoaka fa hisy tompon’andraikitra manampahefana hiditra eny amponja izany tsy ho ela.

Hiditra hianatra ny ambaratonga rehetra eo amin’ny fampianarana, mikasika ny ambaratonga ambony dia somary mahatsikaiky ihany ilay fanapahankevitra navoak’Ingahy Filoha tamin’ny alahady teo, fa Alarobia hono no miditra ny mpianatra, kanefa ny fitaterana ny Zoma vao misokatra, maro anefa ireo mpianatra no nody any amin’ny ray amandreniny, ivelan’Antananarivo.

Ireo mpiasa mampihodina ireo Oniversite maro manerana ny nosy dia tsy nandray karama efa ambolana maromaro, ary ireo mpianatra hiditra hianatra raha ny tokony ho izy dia tokony hisitraka avy hatrany ny vatsimpianarana ary Ingahy Filoha efa nampanantena tamin’ny 22 Martsa 2021 teo, fa hivoaka tsy ho ela ny “ carte bancaire ”, dia ho hita eo izany ny fahalavorarian’izany. Ny azo ambara dia tsy miasa saina amin’izay karaman’ny mpiasa tsy voaray ny mpitondra, izay ilay hoe tsy miraharaha ny fiainambahoaka.

Ingahy Naivo Raholdina dia lany andro mimenomenona sy marary fo amin’ny vahoaka zakan’ny Filoha Ravalomanana, fa tsy mijery izay fahasahiranana manjo ny vahoaka, eny Antanandrano boriborintany fahadimy izao dia misy ny fanjakazakan’ny karana mandroba ny fananan’ny malagasy, kanefa dia tsy nandrenesampeo Ingahy Depiote mpanao “kung fu”, satria ny fitondrana arovany tsy natao hiaro ny Malagasy, fa satrin’ireo mpitondra aza vao mainka mijaly ireo mpiray tanindrazana aminy.

Matetika ny Filoha Ravalomanana dia mamerimberina ny hoe: kapoakako ny mifandray amin’ny mpamatsy vola, ary nohazavainy tsara mihitsy fa ireo mpanome vola eo amin’ny sehatra iraisampirenena, dia mijery ny fahaiza-mitantan’izay mpitondra, nambaran’ny Filoha Ravalomanana fa misy ny antsoina hoe “capacité d’absorption” takiana amin’ny mpitondra, raha hazavaina tsotsotra izany dia ny fahaizana mampiasa ilay vola fanampiana azo, dia mazava fa tsy nahay izany ny mpitondra ankehitriny, sady tsy niezaka ny ho marina, satria tsy ny fahatrambahoaka no fahavalon’ireo mpitondra ireo.

Eto ampamaranana dia tsiahivina eto ny fampanantenana nataon’Ingahy Rajoelina izay nilaza, fa tsy handray karama hono izy fa omeny hanampiana ny any amin’ny faritra ny karamany, tsy misy ny porofo mampiseho izay tsy fandraisany karama izay, fa ny hita mibaribary dia ireo mpiasan’ny Oniversite sy mpampianatra Fram no tsy nandray karama, ireo orinasa nikojakoja ny lalana tsy mbola nahazo ny vola sahaza ny asa vitany. Raha fehezina dia ny vahoaka mahantra no ilan’ny mpitondra kisa, fa tsy miasa saina izay fampandrosoana firenena izy ireo hiadiana amin’ny fahantrana.