FITSARANA TSY MANAM-PAHALEOVANTENA

Ny mpitondra no manery, ny mpitondra no mandrara
Ny amin’ny didy izay havoaka raha ny tranga tato ho ato.
Maty hasina tanteraka ireo napetraka ho mpitsara,
Fa dia toy ny tsangan’olona, na koa efa sarivato!

Foana hatreo ilay fahafahany fa toa teritery lava
No iainany amin’ny asany dia ny seha-pitsarana.
Ireo ambony hatrany hatrany no manery mampandrava
Irony didy efa navoaka, nofaritan’ny lalàna!

Manoloana izany anefa, zary tsy ahitana teny
Ny ao anaty sendika izay hivondronan’ny mpitsara.
Raha voatampim-bava koa ny rafitra tahaka ireny
Dia mba ho aiza no hizoran’ito Madagasikara?

Raha ny seha-pitsarana no tsy misy zava-marina,
Fa ny mbola hitsabaka ao dia ny mpitondra efa masiso,
Dia mazava fa vao mainka hikororosy sy hivarina,
Ito Madagasikara fefiky ny risoriso!

DADAN’i RIANA (29-05-21)