TSY MAINTSY MANDRESY NY MARINA

(ho fiarahabana ireo 12 mianaka nivoaka ny fonja)

Naverina indray ho eto ambonin’ny tany
‘Nareo nogadrain’ireo diso adiresy,
Ka mendrika ny arahabaina eto izany,
Ny marina mantsy tsy maintsy mandresy!

Matoa ny mpitondra nanao an’ireny,
Ka nampiasa hery, nampiditra am-ponja,
Dia tena porofon’ny fahalemeny
Sy tahony iretsy ilay “miara-manonja”!

Raha tena nananany ny fahendrena,
Raha tena nandinika tsara ny sainy,
Dia tsy ny rehetra izay miakanjo mena
No niara-noraofiny sy nogadrainy.

Fa tena efa loza ny fankahalany
Ireo olo-miseho ho mpanohitra angamba,
Ka dia nanamparany ny fahefany,
Raha vao tsinjotsinjony hoe “menalamba”.

…Arahaba ry namana izay nogadraina,
Aza kivin’ireo fitsapana misesy.
Atambaro ny hery, hamafiso ny saina.
Ny marina inoy fa tsy mantsy mandresy!

DADAN’i ZINA (26-05-21)