MILA RENY IANAO RY TANIKO

( Atolotra ho an’ny reny rehetra noho ny FETIN’NY RENY) )

Mila reny ianao ry taniko.
Mila reny tia miasa sy milofo tsy mijanona,
Hahazoana mampijoro firenena tena vanona.
Mila reny mahafoy na herin-tsaina na fotoana,
Fa tsy reny tia mandany, falifaly misavoana.

Mila reny ianao ry taniko.
Mila reny be fitiavana,manana fandavantena,
Ka hanoro hatrany hatrany irony lalam-pahendrena.
Mila reny tena hiahy iretsy zaza Malagasy,
Fa tsy reny hisehoseho ka faly ny hitana basy.

Mila reny ianao ry taniko.
Mila reny be fitiavana ary tsy manavakavaka.
Tsy sodokan-drendrarendra fa ho reny feno vavaka.
Mila reny tso-piaina, tsy mpiandrandra fitehafana,
Fa manao an-kitsim-po, tsy miandry lava hodokafana.

Mila reny ianao ry taniko
Tsy reny hizarazara vola toy ny hita tao ho ao,
Fa reny manana fisainana sy fijery vaovao.
Mila reny tena akaikin’ny vahoaka manontolo,
Ka hitsangana ho mpiahy no sady tena hanolokolo.

Mila reny ianao ry taniko.
Mila reny efa nandingana ireo karazan-janatohatra,
Tena mendrika ho fianarana, sady alaina mba ho “ohatra”.
Tsy “ny tongatonga ho azy”, tsy nandalina fianarana,
Fa mba reny mendri-kaja sy fanaingam-pivoarana.

DADAN’i ZINA (30-05-21)