NY AKOHOVAVIN’NY LAPA

Maneno avokoa ny akohovavy ao an-dapa,
Ka tsisy tsy miaiky ary mifanontany.
Ny debany anefa toa tsy mahatsapa
Fa fambara loza no dikan’izany!

Ny iray tia mitsaingoka, mamely fantsy,
Ka tena mirehaka ery ho mahery.
Tsy tsapany sady tsy fantany mantsy
Fa mihomehy azy ireo olo-mijery!

Ny iray tsy tohinina, tena lian’ady,
Mivelatra ery mamboamboatra fitafy.
Toa mihevitra fa tena ambony girady,
Ka mihantsy dahalo, miseho azy ho mafy!

F’ireo ilay akoho hafahafa karazana.
(Tsara tarehy saingy mampahonena!)
Efa tena igagan’ireo olo-mitazana
Ny tsy fananany izay fahendrena!

Natao ho firavaka sy tena haingo
Ka asa raha tena tanterany izany,
Fa maro ireo efa manisy baraingo
Hoe hatraiza no fetran’ilay fahefany ?

IRINA HO TAFITA (25-05-21)