Masoivoho frantsay eto Madagasikara – Hisy hitatitra amin’ny teny frantsay ny Miara-Manonja sy Sahia Lasa Izao

Lanzelo

Tolotrasa hafa kely no navoakan’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara tao amin’ny tranonkalany amin’ny fitadiavana olona hamakafaka sy handika amin’ny teniny ny vaovao miampita amin’ny haino aman-jery amin’ny teny malagasy, ary koa hanaraka akaiky ny tambazotra serasera amin’ny teny malagasy. Tsy maharaka na tsy atokisana intsony ve ny mpampiakatra vaovao ankehitriny? Mihamaro ve ny vaovao sy ny serasera amin’ny teny malagasy ka mila mpiasa amboniny hanampy amin’ny fifehezana ny vaovao sy ny ambaran’ireo mpiserasera?

Eo ambany fifehezan’ny Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny masoivoho izay voaray amin’ity asa ity. Takiana aminy ny fahaizana mandika sy mifehy ireo tenimpirenena roa, ny fanajana ny fepetra ampiariny, ny fahaizana mihaino sy mamakafaka, ny fahaizana mitazona tsiambaratelo. Raha mitsinjara enina ny fanasokajiana ny fifehezana ny teny (A1, A2, B1, B2, C1, C2), dia ny sokajy B2 no takiana amin’ireo mamaly ny tolotrasa. Hatramin’ny 1 jiona no fepotoana farany famaliana. Telo hetsy sy telo tapitrisa ariary (3.300.651ar) isambolana ny karama ary manomboka ny volana aogositra ny fandraisana ny andraikitra.

Tsy hadino nandritra ny fanonganam-panjakana fa teo anilan’ny filoha ankehitriny i Renimalala, ary nialokaloka tao amin’ny masoivoho frantsay mihitsy àry. Taty aoriana, rehefa nandeha ny fampielezankevitra hifidianana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara tamin’ny taona 2018, dia volan-tantely mihitsy ny fiarahana ary tamin’ny fomba manetriketrika no nanehoana ny fandaharanasa IEM manoloana ireo orinasa frantsay tany Paris. Ankehitriny anefa dia toa mitsoka mivadika ny rivotra ka voadaka i Madagasikara, tsy voaasa tamin’ny fihaonambe tao Paris mikasika ny fandrindrana ny fanampiana ara-toekarena ireo firenena afrikanina nianjadian’izao krizy manerantany izao vokatry ny valanaretina Covid-19. Koa tsy matoky ny filoha akama intsony angaha i renimalala no tsy tonga dia niantehitra aminy hanome olona hanatanteraka ity andraikitra fanarahamaso ity?

Etsy andaniny dia azo lazaina fa mitombo miha-mahazo vahana ary misy ventiny ny fampitàna vaovao sy ny fiseraserana amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy amin’ny teny malagasy matoa misento amin’izany ny masoivoho frantsay. Antenaina fa hivohy ny tena zavamisy any amin’ny “patron”-ny izay ho voaray amin’ity asa hafa kely ity, ka hampita tsara ny feom-bahoaka izay leon’ny lainga sy ny fanitsakitsahana lalàna, leon’ny kolikoly sy fanabotriana, leon’ny fampanantenana poakaty sy hoerahoera tsy tapaka, leo an’ireto jiolahy ambony latabatra mangeja ny toekarena malagasy, leo, leo… Ny fandaharana Miara-Manonja sy Sahia Lasa Zao dia efa misy hiasàna, koa mirary soa ho an’ilay ho voaray!

https://mg.ambafrance.org/Appel-a-candidature-traducteur-traductrice

https://mg.ambafrance.org/IMG/pdf/appel_a_candidature.pdf?8927/5be0bac14e100627c93aa839e64ce27cee4cc245