FFKM – Tsara fanombohana ny famelomana lakolosy niaraka

Ny Valosoa

Tontosa soa amantsara ny fiarahana namelona lakolosy ho an’ireo fiangonana lehibe efatra, mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na FFKM, ny alahadin’ny Pentekosta tamin’ny 06 ora maraina no fotoana nifanomezana, niarahana nampaneno ny lakolosy, ka samy nandray anjara mavitrika avokoa, ireo fiangonana efatra nahitana ny « EKAR na Eglizy Katolika Apostolika Romana », ny « EEM na Eklezia Episkopaly Malagasy », ny « FJKM na Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara », ny « FLM na Fiangonana Loterana Malagasy », manerana an’i Madagasikara.

Ny anton’izay fiarahana nampaneno lakolosy izay dia fanehoana ny firaisankina eo amin’ny samy fiangonana kristiana, na dia samy manana ny fotoampinoana aza ny tsirairay dia miara-manaiky, fa iray ihany eo anatrehan’i Kristy, ary fifaliana iombonana ny Pentekosta izay fanamarihana ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ireo Apostoly, kanefa ihany koa dia samy resy lahatra ireto fiangonana zokiny ireto, fa misy ny tsy rariny mihàtra amin’ny fiangonana eo amin’ny fepetra raisin’ny fitondrana momba ny hamehana ara-pahasalamana, raha tsy hiresaka afa tsy ny fampiakarana ho zato ny isan’ny olona afaka mivory raha dimampolo teo aloha, kanefa ny fahafahan’ny fiangonana mampivavaka ireo mpino kristiana ao aminy dia mbola voarara.

Fampanenoana lakolosy ara-bakiteny no nisy ny alahady marainan’ny Pentekôty tamin’ny 06 ora maraina, fa inoana fa tsy hitsahatra amin’ny fampanenoana lakolosy, hanaitra ireo mpitondra eto amintsika, ireo ray amandreny mpitantana ny FFKM, satria efa misy ilay 4F: Fiainken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana, teny filamatra noraisin’ny FFKM nentina nandaminana ny disadisa nisy, sy nentina nanarenana indray ny firenena.

Manjaka ny tsy rariny, ny jadona, ny hosoka, ny halatra, ny herisetra isankarazany eto amin’ny tanindrazantsika, kanefa dia toa tsy mahatsapa tena ireo mpitantana ny firenena manome vahana izany fomba ratsy izany ary mihevitra ny vahoaka ho bado sy kentrina, sy toa manao an’Andriamanitra ho tsy misy mihitsy aza, ny toy izany indrindra no ilana ny fampiharana ny 4F, ireo ray aman-dreny avy ao amin’ny FFKM ihany koa dia aleo tsorina ny fahitana ny zava-misy, fa toa mandrimandry manana aretina tao anatin’ny fotoana misimisy ihany, ka mahatonga ireo nahazo fahefana manao banga mihomehy alina.

Mendri-piderana ireo ray amandreny mpitantana teo aloha tao amin’ny FFKM nijoro tamin’ny taona 1991 sy 2002, tamin’ny taona 2009 dia azo lazaina ho nandamoka ny ezaka nataon’ny FFKM, ankehitriny inoana f’efa ampy izay ny fotoana nandinihana sy niandrasana ny valimbavaka, mba hiovan’ireo mpitondra mamohehitra ireo, ary azo antoka fa tsy ho latsa-danja miohatra amin’ireo ray amandreny mpitantana ny FFKM teo aloha ireo am-perinasa amin’izao fotoana izao, ary antenaina aza fa ahavita bebe kokoa aza.

Tsara fanombohana iny fiaraha-mamelona lakolosy ny alahadin’ny Pentekosta iny, tamin’ny fotoana fankalazana ny firotsahan’ny fanahy masina, nahazo hery avy amin’ny fanahy masina ireo mpitondra fiangonana ary ampy mizara ho an’ny mpino kristiana rehetra izany, ahazoana miatrika ny asan’ny maizina, ka ny dingana voalohany hampanenoana miaraka ny lakolosy dia ny fangatahana ny fisokafan’ny fiangonana, mba ho afaka mivavaka ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana tsy hisy fanavahana avokoa, na ireo Kristiana mivavaka mikimpy sy mandohalika, na ireo mpino Silamo mivavaka mihohoka toy ireny mitady zandry ireny.

Ny dingana manaraka amin’ny fampanenona lakolosy dia ny famakiana bantsilana ampahibemaso ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena, mba tsy ho tompontrano mihono ny vahoaka malagasy, ka ny 4F fototra efa niaingana no omena sehatra hamahana ny olana mianjady amin’ny vahoaka.

Eto ampamaranana dia ampitaina ny fankasitrahana avy amin’ny olompirenena mahatsiaro saina, ho an’ireo ray amandreny FFKM nanao iny fiarahana mamelona lakolosy iny, mino sy manantena ireo vahoaka malagasy izay vahoakan’Andriamanitra rahateo, fa tsy handraraka ny ilo mby andoha ianareo ray amandreny mpitarika izay entin’ny vahoakanareo ambavaka tsy hatsatso.