EDITO 25 Mey – Fitantanam-pirenena mampandrorona ny fampandrosoana

Sôh’son

Mbola hitohy handrorona ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity. Raha ny fahitana ny zava-nisy tato ho ato sy ny fihetsiky ny fitondrana, dia tsy mbola hanantenana fiovana eo amin’ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny firenena.

Nisarika ny sain’ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana teny Faravohitra rehefa nisy ny fankanesana tampotampoka teny amin’ny fasan’ny karana sy ny tsenan’Anosibe ny alarobia lasa teo, nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, ka nitafatafàny tamin’ny vahoaka sendra azy teny an-toerana. Avy amin’izany no itarafana tsara, fa tsy mbola miova ity fitondrana Rajoelina ity, na dia tafalatsaka lalina ao anaty fahantrana aza ny vahoaka Malagasy. Izy eo amin’ny fitondrana anefa tsy mahavita manao ireny. Mazava loatra, raha toa tsy fantatr’ity fitondrana mihitsy ny filàna fototra ny vahoaka, ary tsy hainy ny manàla azy ao anaty olana makadiry mamatotra azy andro aman’alina ao anaty fotoana fohy.

Lesoka iray lehibe tsy voavahan’ny fitondrana ny mampihena ny elanelana na ny hantsana manasaraka azy amin’ny vahoaka. Ny tsy fifampitokisana mamàka fototra lalina eo amin’ny roa tonta tsy ahitan’izao fitondrana izao vahaolana intsony. Hita etsy sy eroa ny ezaka ataony amin’izany hanakaikezana ny vahoaka, fa tsy “tafa” araka ny fitenenana ankehitriny izany. Iaraha-mahita tsara izany amin’ireo asa fampandrosoana na asa sosialy ilàn’ny fitondrana fiaraha-mientana amin’ny vahoaka, ka anaovany antso amin’ny haino aman-jery samihafa, sy ny fiakon’izany amin’ny fanatanterahana azy. Ny zavatra hitan’ny vahoaka isan’andro isan’andro eo amin’ny fiainana andavanandro mifandraika amin’ny fomba fiasan’ny fitondrana sy fampanantenana maro samihafa nataony hatrany am-piandohana, no miraikitra ao an-dohany sy mamaritra ny fihetsiny rehetra. Antony iray lehibe miteraka io lesoka io izany ary mipàka sy misy fiantraikany any amin’ny sehatry ny fampandrosoana.

Ankoatra io olana lehibe io, tsy misy sori-dalana mazava ny ezaka fampandrosoana ny firenena ara-toekarena. Tsy voafehy amin’ny tokony ho izy ny fomba hampiarahan-dalana ny fampivoarana ny toekarena amin’ny ankapobeny sy ny fihariana anatiny; ny fifehezana ny orinasa vahiny sy ny finiavana amin’ny fampivoarana sy fampiroboroboana ny an’ny teratany. Maivana dia maivana, zara raha misy ny fanosehana ireo mpanao fihariana madinika, ny paik’ady amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo mpiasa Malagasy maro. Tsy misy ny vahaolana maika amin’ny fampihenana ireo very asa sy tsy an’asa aman’hetsiny, sns… Antony sy endrika isehoan’ny hampandrorona ny fampandrosoana ny firenena ireny rehetra ireny.

Ny tsy fisian’ny fandrosoana mazava eto amin’ny firenena, dia midika mazava loatra fa hiha-hahantra hatrany ny vahoaka Malagasy. Hihoaran’ny firenen-kafa maro ny firenena, ary ohatra na tranga iray akaiky miharihary ny Nosy Kaomôro izay efa mandeha an-dalana mihoatra sy manalavitra an’i Madagasikara ara-toekarena amin’izao fotoana izao.