Gadra politika miisa 9 mianadahy – Hivoaka ny fonja ny sabotsy 22 mey ho avy izao

Helisoa

3 volana katroka sazy mihàtra tany amponja no nampiharin’ny fitsaràna azy 9 mianadahy voarohirohy tamin’ny resaka fanaovana akanjo mena, nandritra ny hetsika fikasan’ny depiote hanao tatitra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 20 febroary 2021 lasa teo.

Araka izany dia hivoaka ny sabotsy 22 mey ho avy izao ireo gadra politika ireo, rehefa nahavita ny sazy 3 volana tany am-ponja nampiharina taminy. Na izany aza dia tsy nipetraka fotsiny amin’izao ny mpisolovava azy ireo, fa nampiakatra fitsaràna ambony, satria olona tsy nanao ratsy ireo, ka tsy tokony ho melohina.

Ankoatra izay, manantena ny rehetra fa tokony havoaka avokoa ireo gadra politika toa an-dry Berija Ravelomanantsoa, ny minisitra teo aloha Rolly Mercia Rahajasoa ary ireo gadra politika rehetra hafa ankoatra azy ireo,…