20 mey 2010- 20 mey 2021 – Tompon-dakan’ny fanagadrana mpanao gazety ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

20 Mey 2010 – 20 Mey 2021, feno 11 taona katroka izay, ny nanaovan’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina herisetra azy tamin’ny fisamborana sy fampidirana am-ponja, ireo mpiasa mpanao gazety 10 mianadahy tao amin’ny onjam-peon’ny fiangonana Fjkm, ny Radio Fahazavana. Tsy vitan’izay fa mbola nakatona ihany koa io onjam-peo io.

Tsy zakan’ny fitondran’ny mpanongam-panjakana tamin’izany, ny fampitana ny vaovao rehetra nataon’ireo vahoaka miaro ny ara-dalàna ary tsy nanaiky ny fanonganana ny fitondrana Ravalomanana. Efa tsikaritra fa efa fotoana ela no niandrasan’ny fitondrana kendry tohina io onjam-peo io raha vao niseho ny fanoherana ny fakàny ny fitondrana tamin-kerisetra. Ny 20 Mey 2010 no fotoana nahitany hirika tamin’izany, ka nanadabohana azy. Nadaboka mihitsy no ilazana azy satria, tsy vitan’ny fisamborana ireo mpanao gazety (6 mianadahy) sy teknisiana (roa) ary mpiambina (roa), fa noraofina avokoa, sy norobaina mihitsy, ireo entana rehetra rehetra, hatrany amin’ny fitaovana nampiasaina tany an-dakozian’ny onjam-peo, tsy nisy navela niangana. Tsikaritra mihitsy ny fangalaran’ireo mpitandro filaminana sasany ny solosaina tao, fa tsy nampiarahana tamin’ireo rehetra nentina notanana teny amin’ny BC Anosy. Tonga teo an-toerana mihitsy ary nanatri-maso izany ireo minisitra roa (serasera sy ny fifandraisan-davitra) teo anivon’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany.

Ny tantara tsy fanadino, ary porofo iray mitohoka amin’ny tendany iny raharaha iny, fa tsy demôkraty izany Rajoelina Andry izany, fa tena mpanao didy jadona. Notanana valo (8) andro tao amin’ny BC Anosy ireo mpiasa 10 mianadahy, izay tena tsy nifanaraka tamin’ny lalàna manan-kery mihitsy. 48 ora ihany raha ela indrindra no tokony hitanana olona ao amin’ny BC. Tsy namakian’ny fitondrana tetezamita, sy ireo mpiara-dia aminy rehetra loha izany tsy fanajàna lalàna izany. Avy eo niakatra fitsarana ary nampidirina am-ponja telo volana izy ireo. Mbola narahi-maso akaiky natao andrimaso mihitsy aza izy ireo teny am-ponja. Rehefa nivoaka ny fonja ireo mpiasan’ny Radio Fahazavava, tsy mbola nahazo nisokatra ny onjam-peo raha tsy taty amin’ny taona 2015. Tsy nisy niverina na kely aza ireo fitaovana rehetra noraofina sy nogiazina teny amin’ny BC Anosy. Mandry ve ny sain’ny tomponandraikitra tao naka ireny fitaovan’ny onjam-peon’ny fiangonana ireny?

Toy ny mbola vao omaly hatrany ny zava-nanjo ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana nandritry ny 110 andro nitanana sy nampidirana am-ponja azy, ary tsy ho afaka ao an-tsainy sy hipetraka ho tantara ny herisetra vitan’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina.
Ity filoha Rajoelina ity sy ny fitondrany mihitsy no tompon-dakan’ny famonjana mpanao gazety teto amintsika, nanomboka tamin’ny tetezamita 2009, nogadrainy ny mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana, sy ny mpanao gazetin’ny Radio Mada, Evariste Ramanantsoavina. Amin’izao fitondrana azony tamin’ny doublon sy hala-bato izao indray, tsy vitsy ihany koa ireo mpanao gazety nogadrain-dRajoelina sy ny forongony: ny mpanao gazety sady talen’ny famoahana ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao, ny mpanao gazety sady ministra teo aloha Rolly Mercia, ary ny mpanao gazetin’ny TVM, sady efa tale jeneralin’ny ORTM, Johary Ravoajanahary.