Madagasikara: Firenena mahantra indrindra kanefa mihevi-tena ho mahavita tena ny mpitondra

Andry Tsiavalona

Raha izao loza samihafa mianjady amin’i Madagasikara izao no fakafakaina lalina, dia tokony hitodika aty tokoa ny mason’izao tontolo izao.

Hita ao amin’ireo fahitalavitra frantsay ny fanadihadiana (documentaires) momba ity Nosy ity, saingy eo amin’ny miiba hatrany izany. Nandalo tamin’ilay “mpaminany breziliana” izany ary nampiseho koa ireo voka-dratsin’ny covid-19 eo amin’ny lafiny fizahantany, toekarena sy sosialy ary famokarana. Tsy eo amin’ireo sehatra ireo ihany no asehon’ireo haino aman-jery sy tambazotra, fa ny toe-javatra mahamenatra indrindra dia ny kere any Atsimo, izay tsy mbola nisy toy izany raha tsy ny tany Ethiopia tamin’ny fotoan’androny, izay nanaovan’ireo mpanakanto malaza maneran-tany fampisehoana goavana, ho fanampiana ireo mponina tany izay taolana mifono hoditra sahala amin’ireo Malagasy any Atsimo ankehitriny, nanaovan’izy ireo ilay hoe: “We are the World”.

Tena nampitodian’ireo haino aman-jery any ivelany ireo aty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo, tsy mila dokam-barotra sy serasera goavana. Tsy nahazo fanasana tany Paris, renivohitr’i Frantsa, tamin’ilay fivoriana an-tampony momba ny famatsiam-bola homen’ireo firenena vaventy, sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika, nifarana ny talata lasa teo, ny filoha Rajoelina Andry.

Rehefa naheno ny vola nomen’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola ireo an’i Soudan, arivo miliara euros mahery, sy ny fanafoanan’i Frantsa ihany koa ny trosan’ity firenena ity dia manontany tena ny Malagasy. I Soudan mantsy no anisan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany aorian’i Madagasikara. Azo antoka izany fa ity firenena malagasy manana harena ara-boajanahary ity no voalohany avy any amin’ny farany manerantany eo amin’ny fahantrana.

Ny antony voalohany tsy nahazoan’ny filohan’ny Repoblika Malagasy tany Paris dia satria tsy nety natao vaksiny izay voalaza, fa anisan’ny fepetra tsy azo dinganina hahazoana pasipaoro miditra any amin’ny firenena any ivelany any.

Faharoa izay tsy azo tsinontsiavina dia ny fidedahana sy hambompo diso toerana nanambaran-dRajoelina Andry ho fata-poko, fata-pirenena fa tsy handroso mihitsy i Madagasikara na amin’ny 2030, na amin’ny 2050, na amin’ny 2060, raha mbola ireo mpamatsy vola mahazatra ireo ihany no ianteherana. Manaporofo amin’ireo mpamatsy vola sy ireo firenen-dehibe ity fanambarana ity, fa manana ny ambiampy izany i Madagasikara, ka tsy ilaina ny miantso azy. Azo lazaina fa manana ny ampy tokoa ny mpitondra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, saingy tokony mba nojerena ihany ny fahantran’ny maro an’isa kanefa azo antoka fa raha nahazo fanampiana teo tokoa izao fitondrana izao dia hirehareha indray ary dia mbola hitombo fananana indray izy ireo, fa ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy kosa dia indray mandeha isaky ny roa andro sisa no ho afaka hihinan-kanina noho ny fidangan’ny vidim-piainana.

Ny antony fahatelo dia mbola ny fireharehana fa tsy hihindram-bola intsony ny Firenena Malagasy, fa hampindrana ireo nosy manodidina toa an’i Kaomoro, ka izany no nanasan’ireo mpamatsy vola sy firenen-dehibe an’i Kaomoro izay ho diso fanantenana eo raha hiandry izay fampindramana ataon’izao mpitondra eto izao.

Ary ny azo heverina fa tena antony lehibe dia ny tsy fahatokisan’ireo mpamatsy vola sy ireo firenen-dehibe ireo ny mpitondra eto intsony, satria ny vola nampindramina na nomena nentina niatrika ny covid-19 aza dia tsy nazava ary tsy nangarahara ny fitantanana azy, na dia maro aza ny fikambanana na teto an-toerana na avy any ivelany mitaky ny tatitra marina momba ny fandaniana amin’ny antsipirian’izany vola efa ho iray miliara dolara izany.

Koa raha jerena ireo toe-javatra ireo dia tsy handroso mihitsy ity Nosy ity na ho tapitra aza ny siekla voalohany amin’ity taona arivo fahatelo ity, raha izao mpitondra amin’ny Repoblika IV-2 izao no mbola homena fahefana hitantana.