EDITO 20 Mey – Faha-61 taonan’ny fahaleovantena – Saro-toerana ny fiandrianam-pirenena

Sôh’son

Tsy mbola mitoetra lalina sy miorim-paka ny fiandrianam-pirenena malagasy sy ny fahaleovantena madio mangarahara, miditra amin’izao faha-61 taona nahazoana ny fahaleovantena izao.

Mbola miharihary ny fatotra sy geja, na amin’ny endriny vaovao aza ataon’i Frantsa mandraka ankehitriny. Mbola mahazo vahana eo amin’ny fiainam-pirenena ny dian-tanan’ny mpanjanatany frantsay ary azo lazaina ho nahomby ny teti-dratsiny sy ny politika malotony namatorany ny firenena malagasy. Manampy trotraka ny manjo ny Malagasy, izay ireo olony novolavolainy sy nataony saribakoly tafapetrany eo amin’ny fitondrana. Mazava loatra fa tsy sahy hikitikitika ny tombontsoany eto Madagasikara ireo olony ireo, ary ny hiaro aza no tsy maintsy ataony. Tsy atao hahagaga firy raha mihisatra ny fifampiresahana, eo amin’ny mpitondra frantsay momba ny amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy izay bodoin’ny fitondrana frantsay. Efa fotoana elaela aza izay tsy naharenesam-peo intsony momba izany i Andry Rajoelina, izay nidedaka ery tamin’ny taon-dasa fa hamerina ireo Nosy ireo. Tsy efa zavatra maro ve izay no napetraky ny fitondrana frantsay ao amin’ny Nosy Glorieuses ao, ohatra, anatin’izao fotoana mangingina tsy misy fifampiresahana eo amin’ny roa tonta izao ?

Mpanani-bohitra frantsay mpibodo tanin’ny malagasy izay, ary efa ho 120 taona mahery no nanaovany an’izany izao. Ankehitriny, tsy mbola vonona hamotsotra ny eo am-pelatanany izy ireo. Fa etsy ankilan’izay, misy ihany koa ny mpananibohitra anatiny, efa eto amin’ny firenena, ary efa azo lazaina ho tafiditra lalina tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy iza ireo, fa ireo mpanangona ny tanin’ny Malagasy ary miezaka hanao ampihimamba mihitsy aza raha ny fahitana ny fihetsiny. Ireo ilay karana lasa mpanefoefo nomen’ny fitondrana vahana, indrindra tato anatin’ny folo taona farany, haka ireo tany midadasika maro, misongadina amin’izany ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Novakian’ny dépiote Tim bantsilana, fa izy ireo ankehitriny no manana tany midadasika indrindra eto Antananarivo. Tsy misy Malagasy toa azy intsony, na misy ihany azo isaina amin’ny rantsan-tanana ilany, fa ireo ilay mety niara-dalana taminy sy nanao kopaka isasahana tao anatin’izay fotoana izay. Fa amin’ny ankapobeny mihitsy dia ireo karana ireo no misongadina amin’ny haben’ny faritra ananany sy ny fijoajoalana trano maro. Fa moa ny nifotoran’ny mpanjanatany frantsay teto tsy handroba ny harena rehetra teto amin’ity firenena ity, sy nangorona ny tany midadasika ihany koa tamin’ny fotoan’androny? Ary ankehitriny iza izao no manao izay? Ny karana.

Ireto mpananibohitra anatiny sy amin’ny endriny vaovao ankehitriny ireto, dia iaraha-mahalala fa mifehy ny politika eto amin’ny firenena, sy ny toekarena indrindra indrindra. Ilay nataon’ny mpanjanatany frantsay mihitsy io. Ho an’ny sarambabem-bahoaka dia nanome vahana azy amin’izany ny fitondrana. Dia saro-toerana tanteraka ilay fiandrianam-pirenena, mba tsy ilazana hoe ataon’ireo tsinontsinona, fa mba resaka amboamboarina no ataon’ny fitondrana momba izany. Mamatotra azy avokoa na frantsay na karana. Ireo karana mpanefoefo ireo dia iaraha-mahalala tsara, fa sady mizaka ny zom-pirenena frantsay ihany koa. Tsy gasy ireo ary tsy mieritreritra ho Malagasy velively, fa ataony fitaovana fotsiny ny ilazany izany ho fiarovana ny tombontsoany. Aoka tsy hamita-bahoaka ny fitondrana, hiditra tsy ho ela amin’ny fankalazana ny andro niverenan’ny fahaleovantena.