Filoha Ravalomanana teny Anosibe – Nijery ny fiainan’ny mponina amin’izao andro sarotra izao

Helisoa

Elaela ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara RMDM, ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara: TIM, no tsy tazana nisehoseho noho ny valanaretina CORONAVIRUS mihàtra eto amin’ny firenena sy izao tontolo izao.

Na izany aza dia tsy tafapetraka izy, fa nidina teny amin’ny tsenan’Anosibe omaly, niantsena sy nijery ifotony ny zava-misy iainan’ny mponina amin’izao andro sarotra izao.

Nidina teny an-tsena aho androany, hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia nahita ifotony tokoa ny zava-misy marina iainan’ny mponina amin’ny andavanandro. Henoko daholo hoy izy ny fitarainanareo amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Tena ilaina hoy i Dada, ireny fahasahianareo miteny ireny, sy mijoro miresaka mivantana ny zavatra tsy zakanareo.