Resaka vaksiny covid-19 – Tsy hita tabilao ny filoha Rajoelina mivady

Ny Valosoa

Mahavantana an’Ingahy Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny manao talaky maso amin’ny trangan-javatra rehetra, tato ho ato anefa taorian’ilay fandaharana niarahany tamin’ireo minisitra efatra sy mpanao gazety telo dia toa tsy tazana amin’ny fotoana sy toerana iandrasana azy ity tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena ity.

Nanomboka tamin’ny fitsenana ny andiam-baksiny tonga voalohany izany, sy ny fisantarana ny fanaovam-baksiny dia tsikaritra fa toa miala ilany hatrany izy, ny fanazavana avy amin’ny Praiminisitra mikasika ny tsy fahatongavan’Ingahy Filoha amin’ny tokony ho nilana azy dia azo lazaina ho valinteny peta-toko ihany. Tsy omen-tsiny Ingahy Praminisitra Ntsay Christian raha tsy nitsotra hoe tsy tonga Ingahy Filoha fa mbola nanongotra foto-mangahazo tany atsimo, Ingahy Praiminisitra rahateo tsy atao mahataitra fa tsy maintsy manatsara endrika ny Filoha, satria tsy fantatra izay havoakan’ny ampitso, ny fanapahana mantsy dia any ampelatanan’ity arovana mafy.

Ny fanongotana foto-mangahazo no antony hita tamin’ny sary, fa ny tena marina ankoatr’izany dia matahotra ny vavabe navoakany momba ny tsy filany vaksiny sy ny tsikera mivaivay nataon’izy sy Ramatoa Minisitra miadidy ny serasera, mikasika ny karazam-baksiny « covishield », izay « astrazeneca » ihany no tena antony. Ary mbola izay tahotra izay no nahatonga an’Ingahy Filoha nitsoaka ny fandaharana fanaony isa-tapa-bolana mikasika ny fanolorana ireo fepetra ilaina amin’ny fiatrehana ny koronaviriosy. Fandaharana tena tsy foiny io ary fotoan-dehibe ho azy, satria ahafahany manao fampielezankevitra, ny azy mantsy mandavan-taona ny fitaomana ny vahoaka hifidy azy hatrany. Vao mainka mety amin’Ingahy Praiminisitra izay tsy fahasahiana sehatr’Ingahy Filoha izay, satria nahoana kosa moa no tsy araraotina satria tsy ho isan’andro anie ny fetin’ankizy e!

Rehefa nomena fitenenana tokoa ilay Praminisitra dia atao avy hatrany ny fanamarihana fa izy aloha dia marim-potoana tsy toy ilay mpifehy azy, na izany aza dia hita taratra amin’ny valinteniny ihany fa mpisolo vaika ny akalana izy ary miaro fatratra ny efa sarotra avotana, ka ahiana tsy maintsy hiafara amin’ny fiaraha-milentika ihany ny azy roalahy. Tsikera efa nahazo an’Ingahy Filoha ny tsy firesahana intsony izay fepetra aroson’ny fitondrana hanala ny fahasahiranambahoaka noho ny fikatonan’ny tsena sy ny fifamoivoizana, kanefa dia mitovy amin’izay ihany ny fandaharana niarahana tamin’Ingahy Praiminisitra.

Maro ihany koa ireo mimenomenona hoe tsy tazana mihitsy ny vadin’Ingahy Filoha, Ramatoa Mialy Rajoelina, tamin’ny fahatongavan’ny andiam-baksiny voalohany, kanefa dia izy no reny mpiahy ny fanaovam-baksiny eto amin’ny firenena. Azo an-tsaina ny antony tsy nahatongavan-dRamatoa io , satria ilay famokarana “ alcool ethanol” izay nilokalokany fa ho vita tsy mbola hita soritra hatramin’izao, ka tsy aleo ve mba manao sambo milentika elaela aloha, satria ny mpanao gazety ankehitriny anie ka tsy miafiafy mihitsy amin’ny fanontaniana e!

Raha mbola vonona hitondra ny firenena Ingahy Filoha dia tokony hitady vahaolana amin’ireo fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka malagasy, fa tsy hanao fikan-jaza milentika tsy mipoipoitra, kanefa raha izay no vahaolana dia hatramin’ny oviana ny fandosirana ny vavambahoaka sy ny fitsoahana ny fanontanian’ireo mpanao gazety. Ka hoy ireo be vazivazy hoe: ombay mitady ny filoha Rajoelina mivady, satria tsy hita tabilao izy ireo mahakasika ny resaka vaksiny.