Fepetra raisin’ny fitondrana – Manao ny mpivavaka any am-piangonana ho zaza

Sôh’son

Mampieritreritra lalina ny fepetra raisin’ny fitondrana, momba ny fiangonana ao anatin’izao fiatrehana amin’ny valanaretina covid-19 andiany faharoa izao. Raha nilaza indrindra ny amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpiandraikitra foibe ao aminy ny filohan’ny Fjkm, dia tsy niandry fotoana ela nihazakazaka namaly avy hatrany tsy niahotra ny governoran’Analamanga sy ny prefet an’Antananarivo, ka nanohitra ny fanambaran’izy ireo. Nisy mihitsy aza ny karazana endrika fampiantsoana ny tomponanadraikitry ny fiangonana, izay anisan’ny raiamandreny lehibe am-panahy eto amin’ny firenena. Mazava anefa ny nambaran’ny fiangonana, fa misokatra ny trano fiangonana isan’andro ho an’ireo rehetra mila fampaherezana.

Raha mpitondra feno fahendrena dia nandinika lalina sy nitady ny fomba tokony hahafahana manatanteraka izany, satria tena mila izany ny vahoaka izay reraka ao anatin’izao ady atrehiny andro aman’alina izao eo amin’ny fiainany. Tsy mivaky loha amin’izay manjo ny vahoaka izay ny tomponandraiki-panjakana, raha ny fahitana sy fahenoina ny nambarany tamin’ny faran’ny herinandro iny. Nolazaina mihitsy aza, fa tsy mahatandrina fihetsika ny mpivavaka any am-piangonana. F’angaha izy ireo zazakely, ka tsy hahafehy ny fihetsika tokony hajaina? Dia ho ambakan’ny zaza mpianatra hanàla fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc izay nanokafana ny trano fianarana ve ireto mpivavaka? Iaraha-mahalala tsara ny isan’ireo mpianatra ireo isan-kilasy raisina amin’izao fotoana izao, sy ny fitoerany ao am-pianarana. Dia ho tsy hahavita fitandremam-pihetsika lavitra noho ireo ve ny any am-piangonana? Nisy aza sekoly ianaran’ireo mpianatra ireo amin’izao fotoana izao, re fa misy fotoana mifalihavanja milalao eran’ny tokotanin-tsekoly ireo ankizy ireo. Tsy ho hita velively any am-piangonana izany? Ary misy aza, ankoatra ireo, nambara momba ny any amin’ny orinasa izay mampiasa mihoatra hatrany amin’ny 500, sy ny famorian’olona tsy mihoatra ny zato. Navela izany ho an’ireny, fa ny any am-piangonana voarara ary hentitra ny fitondrana amin’ny fanakatonana ny fiangonana amin’ireo faritra sy distrika navahany. Misy koa aza toerana mbola ifanosonam-bahoaka sy ivangongon’olona, indrindra any amin’ireo iangarana izarana fanampiana, na hisy ihany koa mpitondra ambony ho tonga any hanao zavatra. Ny any anaty taxibe koa aza mbola mahalasa saina, satria eo ny fifampikasohana eo amin’ny samy mpandeha isan’andro, izay misy maharitra adiny roa ora na hatrany amin’ny ora telo mihitsy rehefa mihitsoka amin’ny fitohanana, kanefa tsy hita izay fepetra raisina amin’izany.

Ilay fisokafan’ny trano fiangonana mihitsy ve no olan’ny fitondrana, sa ireo mpivavaka ao aminy? Raha dinihina lalina ny amin’ny fepetra momba ny fiangonana dia tsy mitombina mazava, hoy ny mpandinika maro.