Fiainan-dRamalagasy – Tsy mbola rahampitso no hisy masoandro mihiratra

Andry Tsiavalona

Tonga eo amin’ny kihon-dàlana tsy maintsy andraisana andraikitra hihatrehana ny toe-javatra, sy toe-draharaha iainany ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Ny vahoaka Malagasy, na dia ny ampaha efatry ny nanana zo nifidy aza, no nametraka izao fitondrana izao. Maro ny fampanantenana nanaovan ‘ny filohan’ny Repoblika « velirano » toa tsy niainga tamin’ilay IEM akory satria na io « vina » io aza dia efa niova anarana in-droa na in-telo (PEM, Plan Marshall, PGE). Angamba mety ho nampiova ny programa ny nidiran’ny covid-19 kanefa na niniana natao na fitavozavoazana tokoa no naha tara ny fandraisana andraikitra teo amin’ny fanakatonana ny sisin-tany.

Toe-javatra efa tsy maintsy iainana ny valanaretina kanefa kosa, raha ny vola na nomena na nampisamborin’ny mpiara-miombon’antoka dia efa nanakaiky ny miliara dolara dia azo antoka fa nahafahana nanampy ara-tsosialy na nanomezana tohana ara-bola ireo orinasa sahirana noho ny fihibohana. Niarahana nahalala anefa fa amina miliara ariary maro no nahodina tamin-javatra tsy nisy nifandraisany tamin’ny fiatrehana ny valanaretina akory.

Nametraka ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny dimy ambinifolo andro indray ny mpitondra tamin’ny alàlan’ny Praiminisitra. Tsy hasiana resaka lava ny momba izany, fa ny azo lazaina dia tsy nisy vahaolana mifanandrify amin’izany naroso hanamaivanana ny toe-javatra mavaivay iainan’ny 90% : sivifolo isanjaton’ny vahoaka Malagasy.

Ankoatry ny fahantrana izay zary lasa fiainana andavanandron’ny mponina manerana ity Nosy malaza manankarena ity dia eo ny fibodoana tany izay tsy ny vahiny ihany no manao izany, fa ny gasy manam-pahefana na ny mpitondra mihitsy koa aza. Malaza tato anatin’ny herinandro vitsy ny ady tany ifanandrinan’ny orinasa Telma, izay karana no ao an-damosiny, sy ny mpandova izany tany 30 ha izany eny Antanandrano. Ny tena mampimenomenona ny mpandova dia ny fahatsapany fa misy resaka kolikoly ao amin’ny fitsarana ao, ka tsy manan-kianteherana intsony izany ny vahoaka na eo anivon’ny fitsarana na eo amin’ny mpitandro ny filaminana.

Tsy eken’ny mponina eny Imerintsiatosika ny hanorenana ilay tetikasa fanorenana tanàna vaovao, Tàna Masoandro, satria totorana hatramin’ny tanimbary, ka tsy misy maha samy hafa izany tamin’ny teny Ambohitrimanjaka. Tsiahivina fa efa nisy tetikasa « Tanàna Vaovao » (Nouvelles Villes) ihany koa tao amin’ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa), fa ny mahasamy hafa ireo tetikasa ireo dia ny an’ny Filoha Ravalomanana Marc, dia teo anivon’ny kaominina maromaro (inter-communal) no nijery ny toerana saika nanatanterahana izany, fa tsy didy kofehy lehibe sahala amin’ny misy ankehitriny, tsy misy fifampiresahana sy fifandresen-dahatra teo amin’ny mponina.

Tsy azo eken’ny sain’ny kristiana ihany koa ny fanakatonana ny Fiangonana sy ny Mosquée mandritra ny faran’ny herinandro. Famonoana ny aim-panahin’ny mpino izany satria tsy betsaka olona mifamezivezy toy ny andavanandro ny sabotsy sy alahady, ka mihevitra ny maro fa programan’izao fitondrana izao mihitsy ny famotehana ny fiainana ara-panahin’ny vahoaka Malagasy.

Etsy ankilany koa dia sahirana ireo mpivarotra, indrindra ireo eny amoron-dàlana, izay very asa ny ankamaroany, ka io sehatra io ihany no hany fomba entiny mamelona ny tenany sy ny fianakaviany kanefa dia enjehina sy akorontan’ny polisy monisipaly isan’andro. Tsy mbola misy ozinina, entina manodina akora fototra sy hanomezana asa ny tanora, mitsangana hatramin’izao, fa fotodrafitrasa tsy hahafahana mamerina ny vola nentina nanorina azy akory no naorina etsy sy eroa. Na ankalazaina etsy sy eroa aza ny fanorenana lakan-drano sy tohadrano hampiroboroboana ny fambolena dia tsy mbola hita izay nitsangana hatramin’izao, satria ny vitan’ny fitondrana teo aloha no isisihana sy tadiavina omena vahiny ho trandrahana.

Raha izao toe-javatra sy toe-draharaha iainan’ny vahoaka Malagasy izao no mbola mitohy dia tsy misy azo antenaina hivoahana amin’izao lavaka mangitsokitsoka izao avy amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny.