EDITO 18 Mey – Fitondrana Rajoelina – Tsy hita izay havaliny ny hetahetam-bahoaka

Sôh’son

Tena mahatsapa marina ny filana fototra sy izay tena mahasoa marina ny vahoaka malagasy ve ity fitondrana Rajoelina ity? Fanontaniana mila voizina mafy izany ankehitriny noho ny fahitana ny fomba fiasa sy fitantanana eto amin’ity firenena ity. Hatrany amin’ny fotoanan’ny fampielazan-kevitra, sy rehefa nandray ny fitondrana dia niseho hahavaha ny olan’ny vahoaka malagasy i Andry Rajoelina. Dia niandry ny vahoaka indrindra fa ireo nifidy azy. Roa taona sy tapany izao no lasa, tsy hita anefa izay valin’ny hetahetam-bahoaka. Ny vahoaka resahina eto, tsy ilay ampahany kely niangarany nomena “tapi-maso” tamin’ny alalan’ny tolotolotra kely tsy mahavita taona, fa ilay vahoaka manontolo mihitsy, satria izay no nianianany teny Mahamasina ny janoary 2019.

Rehefa mahita ny fihetsiky ny fitondrana tao anatin’izay fotoana izay, dia tsikaritra matetika ny lesoka. Niseho hahavita ny vahoaka, tamin’ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina tamin’ny fitsinjovana ara-tsosialy, nefa niaraha-nahita ny zava-nisy, na tamin’ny taon-dasa, na miatrika izao andiany faharoa amin’ny valanaretina izao. Ny iray lehibe tena mandreraka ny olom-pirenena dia ny fahitana miharihary ny tsy fahaiza-mandamin’ny fitondrana amin’ny asa setrin’ny fepetra raisiny. Nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fiainan’ny olom-pirenena maro sy ny vahoaka amin’ny ampahany be izany. Tsy nisy anefa na kely aza ny fialan-tsiny mba natao tamin’izany, fa odiana fanina fotsiny izao, ary ny mahasorena ny maro aza dia ny filazana fa tena niasa ilay fitondrana ary tena mitsinjo ny vahoaka tokoa.
Tsy nisy izay tsy nahita teto fa miady irery ilay vahoaka maro an’isa, niatrika ny fiainany ary nanao izay hahavelomany fotsiny sisa isan’andro eo am-piatrehana ny valanaretina. Tsy nisy na kely aza fankaherezana avy amin’ny fitondrana natao azy ireo amin’izany. Ny nahatohina ny maro aza dia ny fahitana ny fihetsika nataon’ny fitondrana, tamin’ny fanakatonana orinasa tamin’ny famaizana ireo tamin’ny lazainy ho resaka hetra, ary dia tsy namakiany loha na kely aza izay mpiasa very asa tao anatin’ireny mandraka ankehitriny. Manginy fotsiny ireo very fivelomana sy fihariana marobe mpisehatra manodidina miara-miasa amin’ilay orinasa izay mamelona olona sy fianakaviana an’aliny maro.

Ary misy koa sokajin’olona, mpiasa na mpandraharaha anjorom-bala tanteraka tsy voatsinjo mihitsy amam-bolana maro. Tsy miasa saina amin’ireo ny fitondrana fa izay manjo azy any manjo azy. Mila ampaherezina mafy ireny olona ireny. Tsy ny marary eny amin’ireo toeram-pitsaboana ihany no mila izany, fa indrindra ireo sokajin’olona lasibatra amin’ny tsy fahaiza-mitantana firenena izao. Fomba iray lehibe amin’izany ny fampaherezana ny finoany, ary manana adidy lehibe amin’izany ny mpitondra fivavahana. Mazava loatra fa any am-piangonana no tena ilaina hanaovana izany, fa tsy amin’ny haino aman-jery any an-tokantrano. Misy aza tsy manana fitaovana amin’izany akory. Ary izay ilay tsy fantatr’ity fitondrana ity mihitsy amin’ny vahoaka entiny.

Ilain’ny vahoaka Malagasy ny fampaherezana azy amin’ny lafiny ara-panahy, fa ny tena Malagasy olon’ny fo sy fanahy, ary anisan’ny iray lehibe hahasoa azy izany. Tsy manana fahaiza-mandamina feno fahendrena lalina ny amin’izany anefa izao fitondrana Rajoelina izao, raha ny heno nambaran’ireo olony ho setrin’ny fepetra noraisin’ny mpitondra fivavahana, mba ho enti-manampy ireo olona mangetaheta izany.