Federasiona Malagasy ny baolina kitra – Ahiana ho tafiditry ny olon’ny andian-jiolahy politika

Sôh’son

Raha nantenaina hizotra amin’ny lalana tokony ho izy, andrasan’ny mpitia baolina kitra azy ny fandaminana nitranga teo anivon’ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy amin’ny tranga ny ekipam-pirenena, dia tsy izany loatra no hita sy re tato ho ato. Ny nitrangan’ny raharaha nafampana teo anivon’izany fitantanana izany dia taorian’ny nanesorana ny mpanazatra frantsay Nicolas Dupuis.

Rehefa nisy ny fanapahan-kevitra noraisina noho ny antony maro samihafa tsy mifanaraka amin’ny nifanarahana, sy ny fanoloana azy an’ilay mpanazatra teratany Malagasy ary ny adihevitra be tetsy sy teroa tao anatin’izany, vao nipoitra ny endrika miafina tao ambadika tsy fanta-bahoaka loatra. Anisan’ny iray manahiran-tsaina ny maro, ankoatra izay antony hafa, ny amin’ny karama be tamin’ny fampiasana azy. Eo ihany koa anefa indrindra indrindra ny fahitana taratra, fa misy ny fampidiran-kevitra maloto ny amin’ny fampidirana resaka politika amin’ny seha-pitantanana ambony, ataon’ireo mpanao politika miara-dia amin’ny fitondrana ao amin’ity FMF, na ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra ity, ataon’ny filohan’ny ligin’Analamanga, izay ben’ny tanàna miara-dia amin’ny fitondrana, sy ny filoha lefitry ny FMF, depiote miara-dia amin’ny mpitondra ankehitriny koa, sy ireo namany vitsivitsy ao anivon’ny FMF. Ireo olona maromaro amina antoko politika eto amin’ny firenena ireo no miezaka miditra lalina, sy mikaro-kevitra hanohintohinana ny fanapahan-kevitra nitranga. Mazava loatra fa tsy mitondra ho amin’ny fanatsarana sy fihatsaran’ny baolina kitra Malagasy velively izany.

Ny ady ambony latabatra tsy hahatsara, fa hampisy fiantraikany ratsy eny an-kianja raha hevitra maloto no ketrehina, ary fankahalana olona fotsiny izao. Toe-javatra efa nisy teto amin’ny firenena sy teo amin’ity sehatry ny baolina kitra ity izany ary tsy nampisy fivoarana lavitra azy mihitsy nandritry ny taona maro. Noho ny fikaonan-dohan’olom-bitsy afaka manapaka any ambadika any no anton’izany. Ny vahoaka mpitia amin’io zara raha mahafanta-javatra ary na misy mahafantatra ny marina izay miteraka ny fositra aza dia tsy mahavita n’inona n’inona. Ny tena mpitia baolina kitra na io tsy niangaly azy, fa mpitazana na indrindra io tena efa niditra an-tsehatra teny an-kianja dia tena tsy mankasitraka tanteraka ny fampifangaroana ny baolina kitra amin’ny politika. Ratsy hatrany no vokatr’izany amin’ny farany. Ireo olona miketrika zavatra hafahafa ireo anefa tsy hitan’ny vahoaka ho nahatafita lavitra sy nampivoatra tanteraka ity sehatry ny baolina kitra ity nandritry ny taona maro izay. Anisan’ny antony iray lehibe nahatorovana ny vahoaka sy ireo mpanaraka na mpitia baolina kitra io.

Fa efa miresaka ny baolina kitra Malagasy ihany isika, fantatra izao fa namoaka ny anaran’ireo Staff, na mpiara-miasa aminy, hanazatra ny Barea an’i Madagasikara i Eric Rabesandratana omaly. Coach adjoint : Fabiano José Costa (Portugais, ancien coach Juventus sy Lazio Jeune). Préparateur physique : Jose Dos Santos (titulaire de Diplôme en préparation athlétique), Coach gardien de but : Frederic Roux (ancien gardien Lyon, Bordeaux,…).