Mpitandrina maro eran’i Madagasikara – Aoka hosokafana ny fiangonan’Andriamanitra

Nangonin’i Helisoa

Mpitandrina maro manerana ny Nosy, no nanao fanambarana ny faran’ny herinandro, mahakasika ny tokony ho fanokafana ny fiangonan’Andriamanitra rehetra tsy ankanavaka:

Izahay, Mpitondra fivavahana, izay manao sonia etsy ambany, dia manao izao hafatra Pastoraly izao ho an’ny Mpitondra eto amin’ny firenena:
Jesoa Kristy no Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany(Matio 28,18). Izy no Lohan’ny Fiangonana, ka ny finoana Azy irery ihany no mampiorina ny Fiangonana ho vatolampin’ny Finoana eto amin’ny firenentsika . Fa voasoratra hoe : « Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy-hita tsy haharesy azy» (Matio 16,18).

Noho izany dia manainga ny Mpitondra eto amin’ny firenena, mba hanokatra ny FIANGONAN’ANDRIAMANITRA, noho ireto antony ireto :
« Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo» (Isaia 35,4).

Tsy latsa-danja amin’ny Toeram-pitsaboana sy ny Sekoly ny Fiangonana, ary tsy azo ampilaharina velively amin’ireo toeram-pitadiavana izay hahasoa ny nofo na fitadiavam-bola samihafa fotsiny, satria tena manasitrana amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ny Fiangonana ary tena fiarovana ho an’ny salama sy fanasitranana ny marary izany. Izany indrindra no ilàna ny fanatrehana ara-batana sy saina toy izay efa nataon’i Kristy, Ilay Teny tonga Nofo . Koa tsy vahaolana ny fanompoam-pivavahana na Toriteny ampitain-davitra, fa mainka mitarika ny olona hiraviravy tànana sy hitsitokotoko samy haka ho azy izany. Ankoatran’izany, tsy voatery hanana fitaovana na vola na fahana na tambazotra tsara ho enti-mandray izany avokoa ny olona izay efa sahirana rahateo.
« Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy » (Romana 10,17).

Ny fanakatonana Fiangonana dia fampangatsiahana ny hafanam-pon’ny mino sady fampihemorana ny finoany, satria ny fifanatrehan-tava, tsy misy elanelan-tany na elanelan-trano eo amin’ny mpitory sy ny itorina, dia efa fanaon’ny Fiangonana hatramin’ny voalohany ary tohizany sy lalainy, mandra-pihavin’ny Tompo. Amin’izany, ny Toriteny sy ny Fizarana ny Sakramenta amin’ny Vahoakan’Andriamanitra, dia adidin’ny Fiangonana, mba hiainan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny finoana manoloana izao valanaretina izao. Ny finoana dia mahafindra tendrombohitra rehefa tena iainana (vakio Mat.17,20).
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana » (Matio 10:8).

Ny Fiangonana dia tsy mpanaparitaka aretina toy izay ahiahian’ny olona sasany, fa tena “mpampianatra, mpitaiza ary mpanabe ny vahoaka hanaja ny fitandremana rehetra tokony hatao, ary nanatanteraka izany tamin’ny fitiavana sy ny fatahorana an’Andriamanitra, fa tsy tahotra manampahefana na zavatra hafa. Ny fisokafan’ny Fiangonana dia tena fanampiana ny mpitondra amin’ny fanentanana sy ny fitaizana ny vahoaka hiara-misalahy amin’ny fandresena izao aretina izao satria : etsy ankilany dia mampahery ny olona ara-tsaina sy ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra mba hiatrika am-pitoniana izao zava-tsarotra izao; etsy andaniny, mampianatra sy mitaiza ny olona amin’ny fampiharana ny fiarovam-pahasalamana ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo olony manam-pahaizana sy traikefa momba izany .
« Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (Asan’ny Apostoly 1,8).

Antomotra ny PENTEKOSTA, andro lehibe ho an’ny Fiangonana Kristiana rehetra manerana izao tontolo izao, koa ny famelana ny fiangonana hikatona ao anatin’izany fety Kristianina manazava ny antom-pisian’ny Fiangonana sy ny fijoroany izany dia toy ny mamafa ny fahaizin’ny Fiangonan’Andriamanitra, sy Izy tenany mihitsy. Avelao hiasa eto amin’ny firenentsika ny Fanahy Masina izay Mpampijoro ny olona ho olo-mahery amin’ny teny sy ny asa, koa SOKAFY NY FIANGONANA hijoroan’ny mino ho vavolombelon’ny finoany sy hahazoany miasa am-pahasahiana manoloana izao aretin-doza mandringana izao; hananantsika olo-mahery hiady amin’ny aretina, fa tsy olona marefo ka resin-tahotra sy manjary milavo lefona manoloana ny fandrahonan’ny fahafatesana, ka toa miandry izay higadonan’izany fotsiny, sanatria!
Tombon-dahiny ho an’ny Firenena ny fananana Fiangonana mbola mijoro, sy mandray anjara mavitrika ary mirotsaka an-tsehatra mivantana eto amin’ity nosy mamintsika ity.
Koa mampahery anareo izay navelan’Andriamanitra hanana fahefana eto amin’ny firenena, mba hanana fahasahiana hanokatra indray ny Fiangonana, mba hananana vahoaka ampy hery ho enti-miatrika izao zava-tsarotra izao.
Izahay Mpitondra Fivavahana dia vonona hatrany hifanome tànana amin’ny fitaizana sy ny asa fanohanana ara-panahy sy ara-tsaina ny olona rehetra tsy misy ankanavaka, satria asanay, eny, fiainanay rahateo izany, « Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (2 Timoty 1,7).

Anterinay eto am-pamaranana àry, fa : « … Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy » (Isaia 59,2).

Manamafy sady mampahatsiahy koa izahay Mpitondra fivavahana, fa mitondra amim-bavaka anareo Mpitondra sy ny firenena manontolo, mba ho resy ny asan’ny maizina mitady handrakotra ny firenena, ary hiposaka ny mazava, araka ny voasoratra hoe:
« Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao » (Isaia 60, 1).

Antananarivo, faha 11 mey 2021.

Amin’ny Anaran’ireo Mpitondra fivavahana rehetra nanao Sonia an’ity hafatra Pastoraly ity . Indro apetraka eto ambany ny ANARANA sy FANAMPINY (ny Sonia dia tsy hay vakiana ) izay ahitana Mpitandrina saika manerana an’i Madagasikara :

• RAZARASOA Sylasy Fitahiana, Mpitandrina
• RAVONINJATOVO Andriatahina Roger, Mpitandrina
• RANDIMBISON Suzette, Mpitandrina
• RAKOTONIERA Eric, Mpitandrina
• ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa, Mpitandrina
• ANDRIAMIHAJA Albert, Mpitandrina
• ANDRIANANDRIANINA Harisoa, Mpitandrina
• ANDRIANINA Lova, Mpitandrina
• ANDRIANTSITOHAINA Ranto, Mpitandrina
• HANITRINIONY Fanjanirina, Mpitandrina
• HARINIAINA Sarah, Mpitandrina
• JOSOA Emmanuel Benjamin, Mpitandrina
• KALO Bernadette, Mpitandrina
• RABENARIVELO Heritahiana, Mpitandrina
• RAFAMANTANANTSOA Roger Luc, Mpitandrina
• RAFANONERANTSOA Meltine, Mpitandrina
• RAFIANINANA Arojaona, Mpitandrina
• RAKOTO Hervé, Mpitandrina
• RAKOTOARISOA Raymond, Mpitandrina
• RAKOTOARIVOLA Daniel, Mpitandrina
• RAKOTOARIVONY Darol, Mpitandrina
• RAKOTOMAVO Lovasoa, Mpitandrina
• RAKOTOMAVO Minoarivony, Mpitandrina
• RAKOTONDRASOA Harijaona Andriatsarafara, Mpitandrina
• RAMAMONJISOA Harindranto, Mpitandrina
• RAMBONINIARIVO Tantely Gaston, Mpitandrina
• RAMIANDRISOA Hery Finoana, Mpitandrina
• RANAIVO ANDRIAMALALA Satamamonjy, Mpitandrina
• RANAIVO Lova, Mpitandrina
• RANAIVOSON Benja Hiarantsoa , Mpitandrina
• RANARIVAHOAKA Noroseheno Mirantsoa, Mpitandrina
• RANARIVELO Nehemia Ny Onja Rakoto, Mpitandrina
• RANDRIA Lanto, Mpitandrina
• RANDRIAMBOAVONJY Mamitiana, Mpitandrina
• RANDRIAMISATA Roger, Mpitandrina
• RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera , Mpitandrina
• RANDRIANANTENAINA Hajamanana , Mpitandrina
• RANDRIANARIDAORO Vero Hanitriniaina , Mpitandrina
• RANDRIANOELIARIJAONA Jean Riva , Mpitandrina
• RANDRIARIMANANA Santa , Mpitandrina
• RASOARIMANANA Mamitiana , Mpitandrina RR
• RASOLOFONIAINA Ekenjakamahery Sandratana , Mpitandrina
• RASOLOMAMPIONONA Céléstine, Mpitandrina
• RASOLOMANANA Jafetra , Mpitandrina
• RATSIMIZARA Germain Jacques , Mpitandrina
• RAVONIARIMANANA Marie Justine , Mpitandrina
• RAZAFIARIMALALA Mamy Herberthe , Mpitandrina
• RAZAFINARIVO Fidison Maxime , Mpitandrina
• RAZAFINDRAVERO Lovasoa , Mpitandrina
• TOVONIAINA Tiana , Mpitandrina
• VONIARIMANANA Aina , Mpitandrina
• ZOARISY Tila , Mpitandrina
• RAKOTOARISOA Malalatiana Olivier , Mpitandrina
• RAKOTO Andrianasolo Fety , Mpitandrina
• RATSIRESIMAMPIONONA Razanadrakoto Dida , Mpitandrina
• BENANTENAINA Evrat Clariot , Mpitandrina
• ANDRIAHARITSIMBA Herinantenaina , Mpitandrina
• RAFANOMEZANTSOA Dés Donné , Mpitandrina
• RAZAFIHARISON Mamison , Mpitandrina
• ANDRIATSIMBARISON Ulrich Gildas , Mpitandrina
• BENARILALA Miora , Mpitandrina
• ANDRISOA Luc Elysé , Mpitandrina
• RAVELONARIVO Hanintriniaina Hugues Jossin , Mpitandrina
• RANDRIANJANAHARY Andrinirina , Mpitandrina
• ANDRIATSARATAFIKA Raobiarizafy , Mpitandrina
• ANDRIANANTENAINA F. José , Mpitandrina
• ZOHASIMANGA , Mpitandrina