Nodimandry Radavidson Andriamparany Benjamin

Stefa

Nodimandry ny alahady alina hifoha omaly alatsinainy, ny ministra teo aloha Radavidson Andriamparany Benjamin, fantatra teo amin’ny sehatry ny politika, ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary teo amin’ny sehatry ny fiangonana fahavelony.

“Apokalypsy 14 : 13. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy”, hoy ny avy amin’ny Birao, ny Tonia, ny Komity Foibe, ny mpandraharaha sy ireo rantsamangaika rehetra eo anivon’ny Sampana Fivondronana Laika ny fiangonana FJKM, ny VPL , ny VFL. Misaotra ny Tompo izy ireo tamin’ny nanomezany ny filohan’ny SFL, Benjamin Radavidson Andriamparany niara-nanatanteraka ny anjara fanompoana teo anivon’ny SFL. Mampahery antsika rehetra amin’izao fisarahana an-tany izao, hoy ny fanambarana. Jesoa Kristy Tompon’ny fampiononana hampionona sy hampahery antsika.

Izy dia efa minisitry ny fitantanam-bola, minisitry ny fanabeazam-pirenena ary solombavambahoaka tao amin’ny Boriboritany faha-4 nandritra ny fitondrana Marc Ravalomanana. Voasokajy ho anisan’ireo manampahaizana ara-toekarena nanana ny maha izy azy izy ary anisan’ny olom-bitsy to-teny teo amin’ny resaka fifampiraharahana tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Efa kandida filoham-pirenena izy, nirotsaka ho kandidà tamin’ny fikambanana politika izay najorony dia ny FFF. Teo amin’ny sahan’ny fiangonana: nitana andraikitra teo anivon’ny Sampana Fivondronana Laika Fjkm, filohan’ny SFL izy. Efa ho andro maromaro izy no re fa efa narary nialohan’izao fahalasanany izao.

Noho izay fahalasanany izay, nitondra teny fampaherezana ho an’ny fianakaviany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM: “tamin’ny fahatairana lehibe tokoa no nandrenesana fa nodimandry i ANDRIAMPARANY RADAVIDSON Benjamin, minisitry ny vola, minisitry ny fanabeazam-pirenena ary solombavambahoaka teo aloha. Tena niara-niasa akaiky tokoa ary voasokajy ho anisan’ireo manampahaizana ara-toekarena nanana ny maha izy azy. Amin’ny anaran’ny tenako sy ny ankohonako ary ny mpiara-miasa rehetra teo aloha dia maneho indrindra ny fiaraha-miory sy mitondra ny teny fampiononana ho an’ny vady aman-janany ary mankahery ny fianakaviany manontolo. Hoy ny Tenin’ny Soratra Masina: “Ary Jesoa Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izy efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo.”2 Tesaloniana 2:16-17. Toky sy fampanantenana ho antsika izany.

Homba antsika mandrakariva ny Tompo », hoy ny teny fampiononana sy fampaherezana nataon’i Dada.

Ankoatra izany, ny gazety Ny Valosoa Vaovao ihany koa dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.