AKON’ANDOHARANOFOTSY

Ny saina mihitsy no efa marary
Sa inona loatra no tiana hokendrena?
Fa efa mampiaiky ry “volomboasary”
’Ty fihetsikareo toa mifono hagegena!

Nentanina indray mantsy ireo tompon-tsena,
Mba ho kingakinga sy ho jenijenitra.
Ka volomboasary no loko hanerena,
Raha te ho mpivarotra manara-penitra!

Gaga sy zendana ny olon-drehetra,
Mandre ity baiko misarina didy.
Tsy ’zao ve ilay fihetsika feno amboletra,
Fanaon’ireo tsy hendry rehefa voafidy?

Moa ny endrika ivelany ve raha izany
Dia ampy hampandroso an’ity firenena?
Ry volomboasary o! mba diniho ihany,
Nalefa nankaiza ilay hoe fahendrena?

Ny fasanareo koa ho volomboasary?
Firaisana fo ve no dikan’izay?
Sa ny saina mihitsy no efa marary
Ka tsy mahadinika intsony indraindray?

DADAN’i ZINA (14-05-21)