HIVOHA NY FIANGONANA

Hivoha ny fiangonana ho fanambaràna
Fa vavolombelon’ny Tompo ny mpino,
Ka n’inona sakana sy fitsapana,
Jesoa re no lalana fa aza adino.

Hivoha ny fiangonana ho fampisehoana
Fa tsy osa izy akory ka dia tsy matahotra.
Ananany mantsy ny herim-pinoana
Manesika hiroso sy tsy hiahotrahotra.

Hivoha ny fiangonana mba hanamafy
Fa izy no vatan’ny Tompo eto an-tany.
Na inona sakana ataon’ny mpandrafy,
Ny mpino, tsy taitra, tsy kivin’izany!

Hivoha ny fiangonana mba hitsenana
Sy handraisana indray ilay Fanahin’ny Ray,
Ka dia tano tanteraka ilay hafanana
‘Zay efa ao am-pon’ny mpino hatrizay.

Hivoha ny fiangonana hoenti-manohana
Ireo mahatsiaro fa latsaka an-davaka.
Misy ireo andro natao hihibohana
Misy koa ny andro fiombonana vavaka!

SEDERA RAVALISON