AIZA ILAY KAPOAKA MANARA-PENITRA ?

Fa nankaiza ilay kapoaka, toa tsy hita tabilao,
Sa ny anareo dia efa tena rediredy lava izao?
Ny vidim-bary no takian’ireo vahoaka mba hahena,
Dia kapoaka no amboarina sy aroso an-kafetsena?

Sa hosoran-doko indray ireo ilay hoe kapoakam-bary,
Ka hatao mirenty tsara sy hivolona voasary?
Fa izay ilay fidedahana nahazatra tato ho ato,
Ho anareo izay vilam-bava nefa tia mitari-bato?

Sa hoe amin’ny kabary izay homanina atsy ho atsy,
No haranty ilay kapoaka f’efa fongana ny vatsy?
Ka dia io no hanampenana iretsy mason’ny vahoaka,
Hoe: natao manara-penitra sy hafakely ny kapoaka?

Sary sy endrika eny ivelany, io hatrany no amboarina,
Hanakonana ny ratsy sy ny zavatra tsy marina?
Sary sy endrika eny ivelany, io no mahafatifaty?
Raha jerena akaiky anefa, maivan-danja sy poakaty!

Raha fehezina dia tsotra, mbola endriky ny fitaka,
Ity ilay hoe kapoakam-bary izay kasaina haparitaka.
Raha mikasika ny vary dia tsy hampidina ny vidiny,
Sy tsy hanala ny vahoaka anaty fiainana mangidiny!

IRINA HO TAFITA (08-05-21)