Lasa Pr Napetoke Marcel – Very olomanga i Toliara sy ny antoko TIM

Stefa

Nodimandry ny faran’ny herinandro teo Pr Napetoke Marcel, very olomanga arak’izany i Toliara sy ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Toliara izy fahavelony, efa Rektoran’ny Oniversite tany an-toerana, mpitarika ny antoko TIM tany amin’ny Faritanin’i Toliara teo aloha, ary efa ministry ny toekarena.

Noho izay fahalasanany izay, naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany, sy ny vahoakan’i Toliara, ary ny antoko TIM any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM: “tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesana ny fahalasanan’i Profesora Marcel Napetoke, Minisitry ny toekarena teo aloha ary anisan’ireo mpitarika ny antoko TIM tao Toliara. Amin’ny anaran’ny tenako sy ny ankohonako ary ny mpikambana ato amin’ny antoko TIM rehetra dia maneho indrindra ny fiaraha-miory sy mitondra ny teny fampiononana ho an’ny vady aman-janany ary mankahery ny fianakaviany manontolo”, hoy ny fanambaran’i Dada.