Depioten’i Beroroha – Toa solombavambahoaka zatra kolikoly

Niaina

Nahavariana ny maro, eny na ireo depiote namany aza, ny fanehoan-kevitra nataon’ny depioten’i Madagasikara voafidy tany amin’ny distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, Nakany Charly Zafimagnely, nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fivoriana nampitain-davitra, na visioconférence ny herinandro teo, tao anivon’ny Antenimierampirenena.

Zany tokoa angamba ny olona efa zatra kolikoly, na zatra mpanindry. Nanambara izy nandritra izany fa tsy nisy voaray na iray aza ireo anarana mpiadina miisa 12 nomeny ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, nandritra ny fanadinana nandraisana ho polisy teto amintsika ary nivaly ny herinandro teo izany fifaninanana izany.

Nanambara ity olom-boafidy mpiara-dia amin’ny fitondrana ity, satria voafidy tamin’ny listra IRD izy tany amin’ny fari-piadidiana iandraiketany, fa mba mpianatry ny Oniversite avokoa ireo anarana natolony ireo nefa tsy nisy voaray ho polisy. “Dia tsy nisy noraisinareo na iray aza nefa aho mba filoham-pikambanana maro ihany, ianareo kosa rangahy migafy a!”, hoy ihany ity depiote sady polisy ity.

Efa fikasana hanao kolikoly ny nataon’ity olom-boafidy akaiky ny filoha Rajoelina ity, tokony hisy ny fanadihadiana sy famotorana hatao aminy, ary ny fampiharana ny sazy mifanaraka amin’izany avy eo. Sa ve hoe mpiara-dia amin’ny fitondrana dia avela amin’izao izany fanetriben’ny firenena izany?