Antsirabe sy tany Atsimo – Tsy voasaina hatrany ny fanapahan-kevitra raisin-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Sahiran-tsaina tokoa ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao manoloana ny toe-draharaha misy sy iainana eto amin’ny Firenena ankehitriny. Etsy andaniny ny valanaretina covid-19, izay mandripaka olom-pirenena maro tokoa efa ho manerana ny Faritra rehetra sy ny kere any Atsimon’ny Nosy, ary etsy ankilany ny fanapahan-kevitry ny fitondrana Rajoelina Andry manoloana ireo.

Ny voalohany amin’ireny dia ny fanambaran-dRajoelina Andry tamin’ny fandaharana manokana ny alahady 2 mey 2021, fa eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany ary miasa andro aman’alina, ka handeha hitsidika ireo Faritra misy valanaretina. Iaraha-mahalala fa nandeha tokoa izy ary Antsirabe no voalohany notsidihany. Nitokana ny CTC-19 sy nanolotra ireo fitaovana toy ny “bouteilles à gaz”, sy ny “concentrateurs d’oxygène” tany an-toerana. Nanambara koa Rajoelina Andry fa mihàtra tao ny fepetra ara-pahasalamana izay nasian’ny governora karbonetra, ka nampisehoany fisolelafana ary nodidiany fa nanomboka tamin’ny 2 ora tolkandro ny fihibohana. Niteraka fahatezeran’ny vahoaka izany, ka nipoaka ny sarom-bilany ary rehefa hetsi-bahoaka toy ireny dia misy hatrany ny tsy voafehy izay manimba sy mamotika fotodrafitrasa iaraha-manana (bâtiments publics), ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny CTC-19 sy ny Oniversite tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra. Toy ny mahazatra dia rehefa midona amin’ny rindrina ny mpitondra dia mitorona na mihemotra ka miverin-dàlana.

Nisy koa ilay fizarana “titres verts” ho an’ny tanora miisa 133 tao Andranomanelatra sy Antsoatany, Rajoelina Andry na dia 500 aza no nampanantenainy. Na izany na tsy izany dia nampanantena izy roa taona lasa izay, fa hananganana orinasa (ozinina) hanome asa ho an’ny tanora andaniny, ary hanodinana ireo vokatry ny tantsaha isan-karazany sady hatao am-by fotsy ihany koa ankilany any. Tsy mbola hita anefa izany hatramin’izao. Mitobaka tokoa ny vokatra amin’izao fotoana ary tsy tafavoaka ho aty an-drenivohitra intsony izany, satria samy mikatona ny Faritra roa, ka raha hamokatra ireo tanora vao nomena tany 1 ha sy vola ary hanorenana trano isanisany dia tsy hisy làlam-barotra akory. Araka izany dia heverina fa mbola fanapahan-kevitra tsy voasaina indray izay rehetra notanterahana tany Antsirabe tamin’ny voalohan’ny herinandro lasa iny.

Nanohy ny diany tany Atsimo ny filohan’ny Repoblika ary tsy ny zava-doza mianjady amin’ny mpiray Firenena any no nisongadina tamin’ny fandalovany, fa dia fanolorana fitaovana hanamboarana làlana 250 kilometatra isan-taona sy fanofanana ny tantsaha momba ny fambolena mangahazo, vomanga ary katsaka no nisy. Toa tsy mahafantatra ny mpitondra, fa ny olana miteraka ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo dia ny hain-tany sy ny tsy fahampian-drano. Izany no anisan’ny anton’ny fifindra-monin’ireo mponina avy any Atsimo tsy mbola nisy toy izany. Raha ny tokony ho izy izany dia ny olana misy eo amin’ny fampihodinana ilay “pipe line” no tokony nofantarina ary nanomezana fitaovana fanampiny hamahana izany satria mivoana amin’izay maharary ny mponina ny fanolorana fitaovana vaventy hanamboaran-dàlana. Angamba entina manampina ny maso sy hanodinkodinana ny sain’ny any Atsimo indray, fa hanomboka amin’izay ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13.

Araka izany dia tsy hain’izao fitondrana izao mihitsy ny mandanjalanja izay tokony hatao mifanandrify amin’ny toe-javatra iainan’ny mponina, sy ny tsy hisian’ny maso vilana eo amin’ny tsy fitovian’ny tolotra na mizàna tsindrin’ila eo amin’ny fanomezana ny Faritra. Na tiana na tsy tiana dia tsapa ary tsy azo ihodivirana fa tsy vitan’ny nofinofy sy dinika ambony latabatra (théorie) ny famahana ny olana any ifotony, fa miainga amin’ny zava-misy (réalité) iainan’ny olompirenena any amin’ny fokontany, kaominina, distrika. Araka izany dia izay no anto-pisian’ny solombavambahoaka izay manadihady sy manolotra vahaolana mifanandrify amin’izay vahaolana sy sakana tsy maintsy dinganina amin’ny famahana izany. Ny olompirenena tsirairay koa dia manana andraikitra hitaky amin’ireo nampindraminy fahefana sy izay nirahiny hampahalala ny olana izay heveriny fa sakana eo amin’ny fampivoarana ny fiainany.