ANTSOANTSON’NY MPAMPIANATRA SY NY SEKOLY TSY MIANKINA

Ireo mpampianatra tsy miankina sy sekoly miahy tena,
Maivan-danja loatra ve ka dia odiana tsy jerena?
Efa ela no niantso saingy tsisy mba nanoina.
Tena hadinonao mpitondra sa niniana nohadinoina?

Taona iray izao ry zareo no efa zara raha nihinana.
Ny hany hiverina an-tsekoly dia ny hanala fanadinana.
Mafy be ny fahoriana, efa mila tsy ho lefitra,
Saingy ny antso aloha hatreto, tena antso an-tany efitra!

Ireo mpampianatra tsy miankina sy sekoly miahy tena,
Tena atao ankilabao ka dia omena tsy omena?
Irony tamby efa fandrainy, ireny indray ve no nalàna?
Sao dia hevitra maloto ry mpitondra fanjakana?

Ireo mpampianatra tsy miankina sy sekoly miahy tena,
Moa tsy isan’ny fanoitra mampivoatra firenena?
Fa ny miaramila hatrany sy iretsy mpianakaviny,
No hany miaro anao mpitondra ka omena izay tadiaviny?

Sanatria tsy fialonana na koa hoe fankahalana,
Fa mba tohina ny fo mijery ilay mba fizaràna.
Makorelina no lohany tamin’ireo izay mba nomena.
Tena mampandroso ve ny asa fivarotan-tena?

Raha tsy nisy ny mpampianatra izay mpizara fahendrena,
Moa va re ho toy izao ‘nareo mpitondra firenena?
Alefaso ny fisainana, ahitsio koa ny famindra,
Sao lahy ny fitiavantena no ho lehibe indrindra!

Ndeha tolory izay mba vatsiny ny mpampianatra tsy miankina.
Efa maina ny vilaniny, ny rononony efa tankina.
Tonga ny ora, lasa izao, ny andrasoandraso tsy azo ekena.
Ny mpampianatra tsy miankina, ampio fa tena mahonena!

TSIMIMALO (09-05-21)