Toeram-pitsaboana Aina Soa Namontana – Mitsabo ny aretina rehetra amin’ny fitsaboana Malagasy moderna

Aly

Tafaresaka tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, ny tompon’andraikitry ny Toeram-pitsaboana Aina Soa, eny Namontana Antananarivo faha-4, Rija Mandimbison, mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana sy ny ady amin’ny valanaretina covid-19 amin’izao fotoana, ary ny mahakasika ity toeram-pitsaboana ity manokana. Dinidinika.

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : manao ahoana aloha ny mahakasika ity toeram-pitsaboana Aina Soa ity, sy ny zavatra ataony tompoko?

– Rija Mandimbison (RM) : ny Toeram-pitsaboana Aina Soa dia mitsabo ny aretina rehetra avy amin’ny voka-pikarohana natoraly azo avy amin’ny zava-maniry, sy ny otra na massage : massothérapie réflexothérapie izany. Izany hoe tamin’ny andro taloha efa elabe tamin’ny andron’ny fahagola, sy ny andron’ny faha-Mpanjaka, sy tamin’ireo ray aman-dreny taloha efa elabe tany dia mbola tsy tafiditra teto Madagasikara ny fitsaboana moderna tamin’izany fotoana, fa mbola niaina tamin’ireo zava-maniry fanao fanafody ny Malagasy ary ireo no nentina nitsaboana tamin’izany fotoana izany, sy nampitomboina ireo hery fiarovana isan-karazany dia natanjaka tokoa ny olona tamin’izany fotoana ary tena nahitana vokatra. Efa nisy sy betsaka ny aretina nanahirana tamin’izany, fa tsy amin’izao fotoana ihany, fa dia tamin’ireo zava-maniry fanao fanafody ireo avokoa no nitsaboana. Dia izay fitsaboana Malagasy izay indray no fohazinay ankehitriny, izay tsy izahay ihany no mamoha azy fa efa maro ihany koa no manao toy izany ankehitriny, fa izahay koa dia mitondra ny anjara birikinay manandratra ny fitsaboana Malagasy izay, fa ataonay manaraka ny toetr’andro indray ilay izy. Izany hoe, raha ohatra ilay nataon’ny ray amandrenintsika tamin’izany fotoana izany dia mety maka ravina zava-maniry izy, dia mbola tsy vaky masoandro no nakany azy, dia tenehana ary sotroina. Fa amin’izao fotoana, tsy tambavy ilay izy fa ilay singa ao anatin’ny zava-maniry entina hitsaboana ny aretina, iny no alainay ao amin’ilay zava-maniry dia iny no composé-na na afangaro maromaro ao anatin’ilay composition, na taharo, dia atao anaty tavoahangy. Dia ireny no voka-pikarohana natoraly omenay ireo tsy salama na inona no aretiny na inona. Dia ny tsara indrindra, miaraka amin’ny otra na massage izay fitsaboana izay.

– GNVV: dia ahoana ny amin’izay fitsaboana amin’ny voka-pikarohana natoraly sy otra izay?

– RM: ny mampiavaka ny otra ataonay araka ny fitsaboana maha-Malagasy azy dia ny an’ny Malagasy no nokarohina sy noezahana mihitsy nofantarina ara-tantara ny otra Malagasy, sy ny fitsaboana Malagasy. Avy amin’izany no nakanay ilay point fort, na ilay tena maha-zava-dehibe ilay otra, sy fitsaboantsika Malagasy dia noezahanay nampivadiana tamin’ny an’ny firenena hafa, satria nikaroka ny an’ny hafa koa izahay, toy ny an’ny sinoa, ny an’ny japone, sy ny an’ny tandrefana Eoropeana, sy ny an’ny tatsinanana rehetra rehetra izany dia nakambana izy rehetra ireny, ary ireny no tena ahitana vokatra, izay rehetra nandalo tao amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa nitsabo tena sy niotra dia afapo avokoa tamin’ny alalan’ny otra sy ny voka-pikarohana natoraly io.

– GNVV: ka eo amin’ilay fitsaboana, maharitra firy andro eo ny fihinanana ny fanafody sy ny fanarahana ny otra?

– RM: ny traitement na ny fitsaboana voalohany dia maharitra 7 andro eo matetika, fa io arakaraky ny aretina, sy arakaraky ny toe-batan’ilay olona. Raha ohatra misy marary vavony, mety tsy hitovy ny fotoana hitsaboana olona roa, satria samy manana ny toe-batany ny olona, sy samy manana ny antony nahatonga izay aretina izay. Mety vita amin’io 7 andro io ny fitsaboana, fa na tsy vita amin’io fotoana io aza dia efa azo antoka fa misy fiovana ny fitsaboana ny aretiny, efa mety hiafana hatramin’ny 50% mahery. Fa raha ohatra tosi-drà no mahazo ilay olona ary paralisé izy na tsy afa- mihetsika, mety tsy ho vita 7 andro ny fitsaboana an’izay.

– GNVV: ny aretina rehetra izany azo lazaina hoe sitrana amin’izay fihinanana fanafody natoraly vita Malagasy, sy otra izay?

– RM: amin’ny ankapobeny, tsaboina ao amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa avokoa ny aretina rehetra, fa na izany aza misy ihany ny tsy vita ary izahay miara-miasa amin’ny Hopitaly moderna, ny CSBII, sy ny maro hafa koa… satria tsy maintsy atao koa izany rehetra izany. Ka rehefa zavatra tsy vita toy ny hoe tranga urgent be , na maika be, satria amin’ny maha-natoraly ny fitsaboanay, tsy misy serum ao aminay, ka ny tranga maika toy izany dia tsy maintsy alefa amin’ny toeram-pitsaboana moderna. Dia ao koa ilay olona tra-doza, mety tapatapaka, rovitra nofo,… tsy vita ao izany fa tsy maintsy amin’ny Hopitaly. Fa ankoatra izay, ny aretina mitaiza, na ny aretina hafa dia tsaboina sy sitrana ao aminay avokoa, na efa hivadika homamiadana aza ary misy vokatra azo tsapain-tanana sy haingana.

– GNVV: manao ahoana kosa ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus ato amin’ny Toeram-pitsaboana Aina Soa?

– RM: voka-pikarohana natoraly sy otra no itsaboana ny covid-19 ato, ary izany dia manaraka ny fepetra sakana ara-pahasalamana. Nahazoana vokatra izany, tsy 100% fa maro ireo sitrana tato tamin’ity valanaretina coronavirus ity. Ny fepetra raha tsy maintsy miotra dia mitondra lambahoany avy any an-trano, dia mitondra carnet koa. Dia ny lambahoany no velarina amin’ny fandriana hanaovana massage ary izahay tsy maintsy mandraraka fanafody, na mi-désinfecté raha vao vita ny olona iray, ny mpanao massage koa désinfecté-na. Ankoatr’izay momba ity valanaretina ity, ataovy aloha izay tsy hidiran’ny virus amin’ny vatantsika manaraka ireny fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra ireny. Avy eo ampitomboy ny hery fiarovantsika na ny anti-corps, satria iny no tena tafihan’ny tsimokaretina. Ka ho an’ny Aina Soa manokana, manana ireto voka-pikarohana natoraly ireto izy ahafahana mampitombo ny hery fiarovana: manana ny Vonjiaina1 izahay, izay tena manasitrana sy mandevona ny tazo mahery toy ny coronavirus ary mampitombo ny hery fiarovana ahafahana mandevona haingana ny tsimokaretina. Dia misy koa Vonjiaina2, izay sady misoroka no manampy ny hery fiarovana ao amin’ny vatantsika, no afaka miady amin’ilay virus. Dia misy ny Mamerinaina, izy io dia misy ireo oligo-élements complet, ao anatiny avokoa ireo ilain’ny vantantsika rehetra toy ny magnésium, calcium, Magné B6, vitamina: ny A sy B, sy ny rehetra rehetra,… Ny Mamerinaina dia azon’ny rehetra hanina, na ankizy, na lehibe, na salama, na tsy salama. Fa rehefa misy soritraretina amin’ny vatantsika dia izy 3 ireo no miaraka. Fa raha hampitombo ny hery fiarovana fotsiny dia Mamerinaina ihany dia ampy.

– GNVV: inona no hafatra ho an’ny mpamaky?

– RM: ny hafatra dia izao, aza mandrimandry manana aretina, raha vao misy tranga hafahafa tsy fahasalamana amin’ny vatantsika dia manatona toeram-pitsaboana, na ato amin’ny Aina Soa, na any amin’ny hafa, fa raha ny Aina Soa no maharesy lahatra antsika dia tongava, ny adiresy dia eny Namontana, finday: 0349279854. Misy anay koa eny Imerinafovoany, finday: 0338174959. Dia misy koa any Antsirabe Mandaniresaka, telefônina: 0344220250. Any Ambatolampy Andafiatsimo Manjarasa, telefônina: 0337108213. Dia misy ny Aina Soa koa any Toamasina Mangarano Jovena, finday: 0348071280.