13 MEY 1972 – 13 MEY 2021 – 39 TAONA ATY AORIANA: MATIMATY FOANA IREO MPITOLONA

Antananarivo - Lapan'ny Tanàna Sabotsy 13 Mey 1972 Sary Ph. Sendz Roberts

Ny Valosoa

Kihondalana teo amin’ny tantarampirenena malagasy ny 13 Mey 1972 nisian’ny ra latsaka tetsy Analakely, teo anoloan’ny Lapan’ny tanana ,na ny Kianjan’ny 13 Mey amin’izao fotoana izao.

FA INONA NO NITRANGA ?

Voafidy fanintelony ho Filohan’ny Repoblika ny Filoha Tsiranana Philibert,ny voaloandohan’ny taona 1972, napetraka teo amin’ny toerany izy ny 1 Mey 1972.
Nisy ny fihetsiketsehan’ireo mpianatra ho dokotera avy etsy amin’ny “Ecole de medecine ” Befelatanana, nanomboka ny volana Avrily 1972, ny fototrin’ny fitakiana dia ny fampitoviana zo ireo mpianatra dokotera mivoaka eny Befelatanana sy Ambohitsaina, nanaiky izay fampitoviana izay ireo teny Ambohitsaina , nihitatra ny fitakiana ka tonga hatramin’ny fitadiavana ny fanagasiana ny fampianarana sy fanafoanana ny “accord de cooperation”, ilay fifanarahampiaramiasa teo amin’ny frantsay sy Malagasy,izay nambara tamin’izany fa fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao.

Natanjaka ny hetsika satria nanatevindaharana ny teny amin’ny ambaratonga ambony koa ny mpianatra tany amin’ny ambaratonga faharoa.

Ny Zoma 12 Mey 1972 dia nosamborin’ireo mpitandro filaminana ireo mpianatra nivory teny Ankatso, ka nalefa nogadraina tany NosyLava, taitra raha nandre izany ireo mpianatra sisa tsy voasambotra ka nidina teny Analakely nanao fihetsiketsehana nitaky ny fampodiana ireo nalefa sesitany ireo.

Ny vokatr’izany dia teraka ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana mpiaro ny fitondrana dia ny” FRS “na “ Force Republicaine de la Securité “ sy ny ireo mpianatra, nisy ny famoizana aina tamin’izany, nirotsaka nanampy ireo mpianatra, ireo tanora tsy an’asa teto Antananarivo izay nitondra ny anarana hoe “ Zwam ” na “ Zatovo Western Amicale de Madagasikara”, ny fidiran’ireo antsehatra no nahavaky nandositra ireo” Frs” izay nitifitra ireo mpianatra tamin’ny Basy marovava Jiosy.

Andro vitsivitsy taorian’izany dia may ny “ Hotel de Ville” , satria voalaza fa nisy Frs niafina tao.Nirotsaka andalambe koa ireo ray amandreny nitaky ny fampodiana ireo mpianatra nalefa tany NosyLava, tsy nijanona ny fitakiana fa tonga hatramin’ny fangatahana ny fialan’ny mpitondra.

Ny Alakamisy 18 Mey 1972 dia nanapakevitra ny Filohan’ny Repoblika nanome fahefana feno ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel hanangana ny governemanta handamina ny tany sy ny fanjakana.

FA INONA NY” ZWAM”?

Ireo tanora tsy an’asa sady sahirana, tratran’ny tsindry hazo lena ary lasibatrin’ny ramatahora nataon’ny” Frs “, kanefa ihany koa dia mpiaramonina eto Antananarivo,ireo no” Zwam” ary ny fahatsapana ny tsindrintsaranga nihatra tamin’izy ireo no nahatonga an’izy, ireo nirotsaka niaro ireo mpianatra ny 13 Mey 1972.

Taoriana kely dia nogasiana ny anarany ka lasa hoe :” ZOAM” na “ Zatovo Ory Asa Malagasy” , ny antoko “ MFM” na “ Mitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika” notarihan’i Manandafy Rakotonirina no nifehy ny Zoam, taty aoriana dia nirotsaka tamin’ny fifehezana ny Zoam koa ny Arema, dia nisy ny fiovana anarana toy ny hoe “ZMT” na “ Zatovo Mahatsapa Tena” dia mbola niova ho “ TTS “ na “ Tary Tonga Saina “ ihany koa, ka ireo “ TTS “ no nampiasain’ny fitondrana Arema nanao ny asa ratsy ,ny niafarany dia ireny fifandonana tamin’ny mpanao “ kung fu” tamin’ny taona 1985 ireny.

Indrisy fa dia lasa fitaovana politika tanteraka ireo sokajin’olona niainga tamin’ny Zoam, ny anarana moa dia niova hatrany araka ny vanimpotoana satria nisy indray ny hoe “ Bemiranga” ,ankehitriny dia “Gros Bras” indray no fiantsoana azy ireo,ny mampalahelo dia tsy mety mahazo ny anjara masoandrony ireo sokajin’olona ireo fa dia mijanona ho fiasana politika hatrany.

NY KIANJAN’NY 13 MEY SY NY LAPAN’NY TANANA.

Nomena ny anarana hoe : Kianjan’ny 13 Mey, ny kianja malalaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tananan’ Antananarivo Renivohitra, satria teo no nisian’ny ra latsaka ny 13 Mey 1972.
Teo no lasa toerana fanaovana fitakiana politika toy ny tamin’ny taona 1991 sy 2002, nahitampahombiazana avokoa ireo fitakiana niainga teo, hany ka maro ireo mpanao politika mino fa izay hetsika atao eo dia miafara amin’ny fionganan’ny fitondrana , ka nisisika mafy nankeo ry Rajoelina tamin’ny 2009 ,niditra teo koa ireo depiote 73 tamin’ny 2018, ary tsy mahagaga raha manao izay fomba rehetra isakanana ny hetsika kasaina atao eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ny mpitondra ankehitriny.

Mikasika ny Lapan’ny Tanàna indray izay may tamin’ny volana Mey 1972, dia efa nisy ny fanangonambola natao nanarenana azy saingy tsy hita nanjavonana ny vola efa azo tamin’ny andron’ny Akfm Kdrsm.

Voafidy ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Ingahy Rajoelina ny volana Desambra 2007,napetraka ny vato fehizoro fananganana indray ny Lapa ny volana Mey 2008, nanatrika izany ny Pasitera Andriamanjato Richard, Ben’ny Tanana tamin’ny fotoana nahamay ny Lapa, teo koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rajemison Rakotomaharo, nisolotena ny Filohan’ny Repoblika Marc Ravalomanana.

Efa tamin’ny fitondrana tetezamita vao nanomboka ny asa fanarenana ary ny Sabotsy 11 Desambra 2010 andro nijoroan’ny Repoblika fahaefatra no notokanana ny Lapan’ny Tanàna vaovao.

Marihina fa tamin’ny fifanatrehan’ireo kandida roa tafakatra tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2018 dia nilaza Ingahy Rajoelina fa ny fitondrana tetezamita notarihiny no nanangana ny Lapan’ny Tanàna, ny Filoha Ravalomanana kosa dia nanizingizina fa nanome vola nanarenana io Lapa io ny fitondrana notarihany ary teo imason’Andriamatoa Ratsirahonana Norbert no nanomezany izany vola izany, Ingahy Ratsirahonana moa dia tsy sahy nijoro nanamarina na nandiso izay nolazain’ny Filoha Ravalomanana, ny tsy azo adinoina dia i Neny Lalao Ravalomanana no Ben’ny Tanàna voafidimbahoaka aradalana voalohany niasa tao main’io Lapan’ny Tanàna nohavaozina io.

39 taona aty aoriana dia very maina ny ra nalatsak’ireo niteraka ny fiovana satria mahazo vahana ny “ecole d’epression française” eo amin’ny fanabeazana, vao mainka mahazo laka ny endrimpanjanahana vaovao amin’ny alalan’ny fanjakazakan’ireo bory satroka,izay itadiavana hevitra ankehitriny ny ahazoan’izy ireo ny zompirenena malagasy. Ireo” Zwam” fahiny dia mijanona ho sahirandava ny taranany ary ataon’ireo mpanao politika fitaovana hiady amin’ireo malagasy mpiaramonina amin’izy ireo, ny Kianjan’ny 13 Mey izay efa nametrahan’ny fitondrana Ravalomanana tsangambato tamin’ny taona 2002 ,nahafeno 30 taona ny hetsika, dia noravan’ny mpitondra tetezamita tsotr’izao izany tsangambato izany ary nony nitsangana ny Lapan’ny Tanàna tamin’ny taona 2010 dia novaina hoe “ Parvis de l’Hotel de ville” ny anarana hoe Kianjan’ny 13 mey.

Ny azo amehezana azy dia matimaty foana ireo nitolona ary very anjavona ny fitakiana nilofosan’ireo nanao izany.