Antsiranana – Sempotra sy noana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany

Aly

“We are suffocating”, “we are hungry”, na hoe “sempotra izahay”, “noana izahay”, anisan’ny sorabaventy nentin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any Antsiranana izany, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo an-dalambe ny faran’ny herindro teo. Nilanja sora-baventy ireo mpiasa mpisehatra ao amin’ny fizahan tany tao amin’ny renivohitry ny faritra Diana ny alahady 09 mey teo.

“Noana izahay ary sahirana tanteraka, Ampio izahay !”, izay ny hafatra nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny kisoratsoratra, na sora-baventy.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ambony arak’izany izy ireo mba hitadiavana vahaolana haingana, satria mikatso tanteraka ny asany ankehitriny nefa tsy misy fanampiana, na vahaolana avy amin’ny fitondrana.