Fanaovana vaksiny covishield/Astrazeneca – Niala pà ny filoha Rajoelina

Stefa

Niala pà, na niala ilany tsy nisantatra ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara omaly ny Filoha Andry Rajoelina. Tany amin’ny firenena rehetra miady amin’ity valanaretina covid-19 ity, nisantatra ny olona natao vaksiny tany amin’ny fireneny avy ny filohampirenena tany an-toerana, na ny lehiben’ny governemanta. Toy izany ny tany Etazonia, natao vaksiny voalohany ny filoha Joe Biden, tany Rwanda notsindronina voalohany ny vaksinin’ny coronavirus ny filoha Paul Kagame, tany Inde, natao vaksiny voalohany ny Praiministra Narendra Modi,… Ny teto amintsika, tsy hita tabilao, na niala pà araka ny fitenin-jatovo azy ny Filohampirenena.

Efa nilaza ny filoha sy ny ministry ny seraserany Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, fa tsy mahomby loatra ny Astrazeneca, ny covishield tonga eto amintsika dia Astrazeneca io ihany, ka izay no mety nahatonga ny Filoha tsy mbola nanao vaksiny aloha. Nanomboka omaly tokoa ny fanaovam-baksiny entina miady amin’ny valanaretina Corona virus eto Madagasikara, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis no nisantatra izany fanaovam-baksiny izany ho an’ny teto Madagasikara. Nasehon’ity minisitra ity ny maha siantifika azy, ka nanekeny ny tsindrona voalohany an’ity vaksiny entina isorohana ny Covid-19 eto Madagasikara ity. Izao fihetsika nasehon’ny minisitra izao anefa dia tokony mba hampisava ny ahiahin’ny Malagasy maro mahakasika ny fahatongavan’ny vaksiny eto amintsika, anisan’izany ny Filoha sy ny Praiministra, izay tsy nipoitra omaly nefa izy ireo no tokony ho natao voalohany.

Tsiahivina rahateo f’efa an-tapitrisany maro ny olona vita vaksiny maneran-tany, ary tsy nisy fiantraikany manokana amin’ny fahasalaman’izy ireny akory ny fanaovana ny vaksiny.
Tranga mampiahiahy vitsivitsy anefa no miteraka resabe mahakasika ny vaksiny AstraZeneca, niseho tany ivelany, na izany aza, raha ampitahaina amin’ny tombontsoa azo avy aminy, dia azo tsinontsinoavina ireny tranga ireny. Tsy antery fa antsitra-po sady maimaimpoana ihany koa ny fanaovam-baksiny eto amintsika.