11 Mey – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao : tsotra ny vahaolana amin’ny zava-misy amin’izao fotoana…

Mijaly ny vahoaka malagasy, avereno sokafana ny orinasa Tiko fa tokantrano miisa 144000 no velominy ary vahoaka 5000 isa no hahazo asa… Hatreto aloha, hatramin’ izay nanakatonana azy ireo izay dia tsy nisy ary tsy misy orinasa iray eto Madagasikara mahavita an’izany… (Na tao anatin’ny 60 taona aza mbola tsy nisy nahavita an’izany).

Avereno ny vita malagasy, atsaharo ny toetsaina ory hava-manana… Raha tsy tianareo haverina ny Tiko dia ampiasao eto Madagasikara daholo ny volabenareo dia manangàna orinasa ho an’ny malagasy mahavita toy ny Tiko io. Firifiry moa nareo no manambola be multimilliardaire eto Madagasikara, nefa tsy misy mba misaina hanangana orinasa toa an’ny Tiko akory na iray àza? nefa ny Tiko tsy avela hisokatra? vonjeo ny malagasy raha tia tanindrazana nareo ary voalohany amin’izany ny famerenana ny Tiko hisokatra, mba hiasan’ny vahoaka sy hamelona vahoaka. Mankasitraka.

Rafitahiantsoa Feno
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao