Roland Ratsiraka – Avelao handeha amin’ny canal satellite avokoa ny televiziôna rehetra

Isambilo

Nitondra fanehoan-keviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko MTS, sady depioten’i Madagasikara voafidy tany Toamasina I, Roland Ratsiraka tamin’ity herinandro ity.

Tsy demokraty izany ny fitondrana ankehitriny hoy izy, tsy tokony hidoka tena amin’izany ny mpitondra satria lainga izany araka ny fanambarana nataony. Teboka maro mantsy no azo andrefesana an’izany hoy izy. Ka raha tena te ho demokraty tokoa ny mpitondra dia voalohany: tokony havelan’izy ireo handeha amin’ny « canal satellite » avokoa ny fahitalavitra rehetra.

Faharoa: avela ny olona rehetra hiteny sy haneho hevitra amin’ny televiziônam-panjakana. Ny zavatra nanenjehana ny mpitondra tamin’ny taona 2009 ihany, no mbola haverin’ny mpitondra ankehitriny, hoy ity mpanao politika ity.