Mpisolovava an-dRolly Mercia – Mangataka ny famotsorana azy tsy misy fepetra rahampitso 7 mey

Isambilo

Nanao fanambarana omaly, ireo mpisolovava vahiny 2 miaro ny ministra teo aloha Harry Laurent Rahajason, na Rolly Mercia, mangataka amin’ny fitsarana Malagasy ny hamotsorana ity mpanao gazety sady ministra teo aloha ity, amin’ny fitsarana ity raharaha ity rahampitso zoma 7 mey 2021 (amin’ny fiteny Frantsay pejy 8). Miantso ireo mpitsara ity raharaha ity rahampitso izy ireo, ny hitsaran’ireo mpitsara Malagasy ara-drariny, am-pahamarinana, am-pahasahiana, ao anatin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana tanteraka, ka hamotsorana ny olona arovany, izay ao anatin’ny tsy fahasalamana efa am-bolana maro.

Mahakasika ity raharaha ity, nandritra ny fotoam-pitsarana farany natrehana, nilaza ny mpitsara tamin’izany, fa tsy voarain’izy ireo ny taratasy izay napetraka tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny Tribonaly, taratasy izay misy fitomboka manamarina anefa fa voaray soa aman-tsara ny taratasy izay nataon’i Félicien, milaza fa tsy misy idiran’i Rolly Mercia velively ny raharaha teny Ambohipo, fa noterena izy hiampanga ity ministra teo aloha ity. Nilaza koa ireo mpitsara nandritra izany, fa tsy nandalo ny ambaratongam-pahefana tany amin’ny fonja ilay taratasy.

Noho izay antony izay, naka huissier na vaditany ny fianakavian’ny ministra teo aloha Harry Laurent, nanamarina raha nandalo ambaratongam-pahefan’ny fonja io taratasy nataon’i Félicien io. I Félicien dia nilaza fa nampandaloviny ambaratongam-pahefana izany taratasy izany. Rehefa nanamarina koa ny vaditany nalain’ny fianakaviana dia hita fa nandalo ny ambaratongam-pahefan’ny fonja ny taratasy nataon’i Félicien, milaza fa tsy meloka i Rolly Mercia momba ity raharaha ity.

Noho ireo antony ireo, tsy misy intsony arak’izany ny vesatra tokony hitazonana ny ministra teo aloha Harry Laurent Rahajason, mahatonga ireo mpisolovava sy ny fianakaviany, mangataka ny hamorampon’ny fitsarana hamotsotra azy tsy misy fepetra intsony rahampitso 7 mey.