Filoha Rajoelina – Sarotra no hino fa mbola hiantso mpanao gazety tsy voaborosy

Fandaharana TVM 2 Mey 2021 - Nipararetra ny filoha Rajoelina sy ny ekipany

Ny Valosoa

Voaporofo tamin’ny fandaharana nandeha tamin’ny haino amanjery ny alahady 02 Mey 2021, fa tsy mahazaka fifanatrehana amin’ny olona ankoatran’ireo mpanao gazety efa voaborosy mialoha Ingahy Filoha Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy. Mbola vao i Gasikara Fenosoa, mpanao gazety tokana tsy mpiasan’ny orinasan-tserasera miaraka amin’Ingahy Filoha dia efa mipararetra izy mianakavy, mainka izany fa raha niampy iray na roa hafa, angamba dia asa fotsiny izay niseho.

Afo nandoro ny lamban’Ingahy Filoha iny tamin’ny alahady teo iny, fay tanteraka izy, toa tsy azo inoana ny mbola hisian’ny fandaharana ahitana mpanao gazety tsy miaradia amin’ny filoha sy ny forongony amin’ny manaraka, ary manomboka izao dia mety hataon’ny fitondrana fady tanteraka amin’izay ny manao fandaharana mivantana, fa dia tsy maintsy “faux direct” toy ny hatramin’izay no hisy.

Ny Antenimerampirenena dia nisafidy ny fivoriana amin’ny alalan’ny “visioconférence”, satria matahotra mafy ihany koa ny hifanehatra amin’ireo depiote Tim ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, ka ny fisian’ireo depiote maty no nambara fa antony mampisy ilay “visioconférence”. Azo lazaina ho toy ny manararaopaty ihany ireo maro an’isa ao Tsimbazaza eo ambany fitarihan-dRamatoa Filohany Christine Razanamahasoa ireo. Ny tanjona amin’ilay “visioconférence” izany dia ny fanilihana any amin’ny haharatsy na tsy fisian’ny “connexion”, ialana ilany amin’ireo ady hevitra mangotraka.

Tsy mataho-masomena ny tena mpitolona hoy ny hira fanevan’ny antoko Arema mitondra ny lohateny hoe: “Ao anaty boky mena”, mahagaga anefa fa dia kanosa tanteraka ilay filohantsika ankehitriny, kanefa dia mba anisan’ireo “ankizy ankehitriny, mpanangana ny ho avy, tompon’ny taona roa arivo” tamin’ny fotoanandro nampalaza ny Arema ary nifandray tanteraka tamin’ny Filoha mpanorina ny Arema, vao lasa tsy ela izay, saingy toa tsy nahay nandray izay lesona tokony ho notovozina itondrana ny firenena.

Ny firenen-drehetra dia miroso tanteraka amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, ireo mpitondra mitonona ho manana ny maro an’isa eto amintsika anefa, dia maha menatra fa dia tena andosirany mafy toy ny mandalo fasambao ny miatrika ady hevitra henom-bahoaka, ny antony dia tsotra, tsy madio eo amin’ny fitantanana ary tsy mahatana ny teny nomena na mety tsy ampy ihany koa ny fahaiza-manao.

Fa ny vahoaka tsy bado akory na kentrina, ka ho azo ambakaina lava izao, amin’ny hevitra taingina fa dia samia velonaina hahita ny tohiny.