Eric Rabesandratana – Hiezaka hampakatra ny Barea amin’ny Mondial 2022

Rainilita

Teny voalohany nambaran’i Eric Rabe, na Eric Rabesantratana, tao amin’ny France-Bleu, taorian’ny nanendren’ny filohan’ny FMF “Federation Malagasy de Football”, Arizaka Rabekoto Raoul azy ho mpanazatra ny BAREA hisolo toerana an’i Nicolas Dupuis ny hoe : “Tanjona hapetrako voalohany indrindra ny hamitàna ny BAREA hiatrika ny “Mondial 2022” ary hoezahako ihany koa, hoy izy, ny hamerina indray ny fahombiazana efa azon’ity ekipa ity, sy ny hafaliana nogohan’ny Malagasy tamin’izany. Paik’ady vaovao no hoentiko hanatanterahana an’izany, hoy hatrany izy, ka mila fantariko maika aloha ireo mpilalao mandrafitra an’ity ekipa ho tantanako ity”.

Araka ny fantatra dia tokony hanomboka ny 15 mey ho avy izao ny fampivondronana ny Barea eo amin’ny baolina kitra, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny Mondial 2022. Iray vondrona amintsika amin’izany raha tsiahivina i Bénin, ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ary Tanzania. Raha ny fahitan’ny mpitia baolina kitra azy, azoazo ihany ireo ekipam-pirenena iray vondrona amintsika Malagasy ireo, ka heverina ny hahatafavoaka ny ekipam-pirenena Malagasy amin’izany.