TSISY ZAVATRA VOAFEHY

Ny fon’ireo vahoaka hatrany no tsaroany ho mivonto,
Manoloana ny hadalana sy hagegen’iretsy “donto”,
F’izy ireo tsy mety mihaino, tsy mivonona hivoatra,
Ka dia maro no efa tofoka ary miomana hitroatra!

Tsy voafehy ny sisintany, tena hoe mibanabana.
Misy foana ireo tafiditra, aiza re Rafanjakana?
Misy ve ny kolikoly, misy hatrany ve ny tsolotra,
Na dia manadio ny tenany ry vavàna sy bemolotra?

Tsy voafehy ny vidim-piainana fa midangana isan’andro.
Tena maina ny vilany, be ‘reo efa tsy mahandro.
Vary no efa valonjato, izany ny iray kapoaka,
Nefa mainka toa midehaka ireo mpampiesona vahoaka!

Ilay kapoaka nolazaina ho manara-penitra aza,
Toa tsy hita tabilao fa tena lasa resa-jaza!
Izany ilay mba fitondrana tena tia midihindihina.
(Ny tokonana tsy afaka dia ny rindrina no hanihina!)

Tsy voafehy ny corona, mitombo isa iretsy lavo,
Saingy indreo manodin-dresaka ry mitonona ho “favo”.
Vakisiny mbola miandry, sisasisa no ho tonga,
Nefa atao ny hoerahoera dia velezina ny amponga!

…Tsy voafehy ny rehetra rehetra, ny mpangalatra mitombo.
Ny vahoaka mihamahantra, ny aretina mitombo.
Ny hany tokana voafehy sy tena ezahina hidiana,
Dia ny vavan’ny mpanohitra sy ‘reo tsy azo novidiana!

DADAN’i ZINA (06-05-21)