HIVORY INDRAY IREO SOLOMBAVA

Mahalasa saina ihany ireto solombavantsika.
Tena hivory ve no tanjony sa hampiasa fikafika?
Sao hihinam-bola fotsiny fa tsy hisy zava-banona,
Ka ny tsara indrindra angamba, tena mety raha hajanona!

Tena ekena f’izy ity dia fivoriana ara-potoana,
Saingy fantatra sahady fa ho fandanianiam-poana,
Raha iniana toa tefena sy ovàna indray ny tantana,
Ka tsy hisy ilay mba hoe “fifanatrehana mivantana”.

Lahitokana ny aina, ekena ny fiarovan-tena,
Saingy raha ny tetikady dia mifono hafetsena,
Ka natao izay tsy hisian’ny endrika fifanandrinana,
Fa tsy vitsy ireo minisitra no mataho-panadinana?

Sady iretsy solombava izay avy amin’ny fanoherana,
Dia nampiaka-peo mialoha fa tena tsy hanam-pandeferana,
Ka hitaky an-kitsirano izany hoe mangarahara,
F’efa maizina ny tany, rambony ilay Gasikara!

Moa ve ho tontosa marina ilay atao hoe fandaniana
Ny amin’ity ilay tetibola izay nasiana fanitsiana?
Sa hiseho hatrany hatrany ireo karazana letrezana,
Fa izao ilay fitondrana efa “zary fihomehezana”?

Dia ho hita izay hafitsok’ireo solombavantsika,
Na hifampijery sary na hifampidera bika.
Fa raha ’zany no hiseho dia tena ho avy ny ampamoaka.
Aleo dia tsy mivory akory ry mpamitaka vahoaka!

DADAN’i RIANA (02-05-21)