Vakisiny Covid-19 ho an’i Madagasikara – Sisa tsy lany avy any Congo, lany daty 24 jiona

REUTERS/Hereward Holland

Lanzelo

Raha amin’ny volana septambra no novinavinaina ho tonga vakisiny fanefitra amin’ny coronavirus dia somary gaga ny tena amin’ny firosoan’izany fotoana izany araka ny nambaran’ny filoha tamin’ny fandaharana mivantana ny alahady 2 mey teo. Amin’ny zoma 7 mey ho avy izao izany no ho tonga eto an-toerana ny ampahany voalohany amin’izany vakisiny izany. Maivamaivana ihany ny fanazavana mikasika ny antsipiriany fa rehefa halalinina kely dia toy ny mahazatra ihany amin’ity fitondrana Rajoelina ity, tandrametaka.

Ny karazan’ilay vakisiny ho afarana aloha izany dia antsoina hoe ‘Covishield’, na ‘générique AstraZeneca’ vokarina any Inde. Maro ny manjavozavo manodidina io vakisiny io eto: hatraiza ny andraikitra sahanin’ny Fanjakana ary hatrainza ny amin’ny Fondation Akbaraly, ho maimaim-paona ve sa hisy resaka bizina indray, isa firy no ho tonga amin’ity ampahany voalohany ity, azo antoka ve hiaro tokoa amin’ny ireo ‘variant’ karazany toy ny ‘sud-africain’ na ny ‘indien’?

Fa araka ny antontambaovao vahiny dia fantatra fa tafiditra ho isan’ireo firenena hisitraka vakisiny sisa tsy ampiasain’ny firenena Congo (RDC) i Madagasikara. Vakisiny 1,7 tapitrisa no azon’ny Congo tamin’ny alalan’ny tetikasa Covax. Tara anefa ny fampiasana ireo vakisiny ireo. Raha ny 12 martsa no noeritreretina nanombohana ny fanaovana vakisiny ny mponina, dia ny 19 aprily izany vao nanomboka. Hany ka olona 2035 ihany no vita vakisiny tao anaty folo andro.

Ny faha-24 jiona anefa dia ho tapitra ny fe-potoana fampiasàna ireo vakisiny ireo, ka dia firenena efatra no hisitraka ny vakisiny 1,3 tapitrisa tsy ho lany ampiasaina. Vakisiny 500.000 aloha izao no efa lasan’i Angola. Isa 800.000 izany sisa no hifampizaran’i Ghana, Togo, République centraficaine sy Madagasikara.

Midika izany fa latsaky ny 800.000 ny vakisiny ho azo amin’ny ampahany voalohany io, ary azo heverina fa any amin’ny volana septambra indray ny ampahany manaraka, raha tsy hoe hisy sisan’izay firenena tsy ilaina indray. Dia iza izany no hahazo amin’ireo olona firy tapitrisa mila izany? Iza no ampiandrasana? Faritra iza no hisitraka? Hiaro amin’ireo ‘variant’ mahery vaika ve?

Ary rehefa tonga ireo vakisiny ireo, raha ny fitavozavazana sy tsy fahaiza-mitantana mampalaza ity fitondrana ity, raha tarafina araka ny tarehimari-panjakana ny isan’ny fitiliana vita isanandro, dia any amin’ny telo volana any na andaniana vakisiny 100.000. Kanefa eo amin’ny roa volana latsaka kely eo dia lany daty ny vakisiny.

Mitohy ihany ny tandrametaka sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy, lalaovina ny ainy ary mandroso ihany ny fanatanterahana ny “fasan’ny firaisam-po”.

Reuters, Congo starts re-deployment of expiring COVID-19 vaccines to other African countries
‘https://www.reuters.com/world/africa/congo-starts-re-deployment-expiring-covid-19-vaccines-other-african-countries-2021-04-29/