HO KABARY SA RESADRESAKA ?

Mahatsiaro fa nivaona ireo lazaina ho kabary,
Ka nasiana fanovana mba hampihiratra ny sary?
Dia nantsoina indray ny ekipa f’efa ratsiratsy toerana,
Ary hikendry ny hanaratsy ny ao anaty fanoherana?

Aoka anefa holazaina sy haseho miharihary,
Fa vao mainka ho tena ratsy sy ho maizina ny sary,
Raha ‘reo olona vavàna tsy mifidy fitenenana,
No ho hita manodidina ka diniho sao hanenenana!

Tsy endri-javatra toy izany aloha ny anay no tena andrasana,
Tsy ny fanadiovan-tena, tsy ny fandavaham-pasana.
Fa ho anay vahoaka tsotra : noana, noana be ‘zahay
Ka vatsy tohana no ilaina, izay dia ‘zay no andrasanay!

Sakafo tena mahavelona, ampy ho an’ny herinandro,
Izay no andrasanay anio fa tsy ‘zay hoe “tanamasoandro”,
Na ‘reo fotodrafitrasa noventesina tsy miato,
Nefa kosa tsy dia maika ka dia mendrika haato!

Fanafody maimaimpoana, vakisiny taka-bidy,
Izay no mahamaika anay raha toa ‘zahay omen-tsafidy.
Dia meteza koa hampiato ny fanaovana hasomparana,
‘Reo ekipan’ny mpanohitra miteny anaty fandaharana!

Tena hevitray vahoaka ireo rehetra tanisainy.
Ireo izay maharary anay no iangavianay hampitainy.
K’aza dia ilana vaniny na anaovana antsojay,
F’ireo no miezaka hitondra izay mba alahelonay.

…Ka tsy karazan-dresadresaka mba ho fanadiovan-tena,
Na kabary feno sira hoentina mampanantena.
Tsy izany no andrandrainay reraky ny fihibohana,
Fa sakafo, vakisiny, miampy izay mba vatsy tohana!

TSIMIMALO (01-05-21)