EDITO 27 Aprily – Miaina ny fihemorana ny firenena ankehitriny

Sôh’son

Ao anaty tranga « fahasarotana » ny demôkrasia eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Izany dia vokatry ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana tamin’ny alalan’ireo minisitera dimy tamin’ny 26 aprily lasa teo. Efa afaka samy maminavina ny ho laharan’i Madagasikara indray ny rehetra eo amin’ny fafana hapetraky RSF* amin’ny taona ho avy, raha toa ka laharana faha-57 isika ankehitriny rehefa avy nihemotra laharana telo be izao. Saika niseho amin’ny sehatra maro samihafa io fihemorana io, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena nanomboka indray ny volana martsa lasa teo.

Tsy nahahovoka ny fitondrana ary tsy nisy afitsoka mihitsy nanoloana ny tsy fahombiazany teo amin’ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka tamin’ny taon-dasa rehefa niditra tao anaty hamehana ara-pahasalamana. Ampahany vitsy amin’ny vahoaka tena mila izany no mba nisitraka ny fanampiana nomeny. Niala maina avokoa ireo sisa ary tsy nahita mangirana tamin’ny fanampiana mandrak’ankehitriny. Izao indray nandray fepetra vaovao am-piatrehana ity valanaretina andiany faharoa mahery vaika ity. Nanakatona na nanakorontana fiharian’olona maro eo amin’ny sehatra maro izany. Tsy nisy anefa setriny avy amin’ny fitondrana nanoherana izany. Aiza ilay kabary be sy fampanantenana nanaovana laza masaka tany am-piandohana sy nandritry ny volana maro, fa ity fitondrana ity no lafatra indrindra miohatra amin’ireo rehetra teo alohany? Nihemotra any aorian’ny maro aza ny fahitana azy indrindra rehefa tojo zava-tsarotra ara-pitantanana. Maneho izany ny tenin’ireo olon-tsotra eny amin’ny andavanandro eny maneho ny hakiviany amin’ny fitondrana.

Milaza hahatratra ny taha-pitomboana ara-toekarena 4,7% any ho any, hono, ny fitondrana amin’ity taona ity. Dia mba miteny fe miteny, fa ny zava-misy hita dia mby amin’ilay fitenenana hoe:“lavitry ny afo ny kitay”. Ambaran’ny fitondrana mandrakariva, fa ny fanakorontanana no olana sy sakana amin’ny fampandrosoana. Ambara tsotra sy mazava anefa, fa na dia ho tony sy milamina tanteraka toy ny tany am-piandohan’ny nandraisany ny fitondrana aza io, dia tsy ho tratra io taha io. Antony, ilay fitondrana mihitsy no manao asa mifanohitra amin’izay lalana ho amin’ny fampandrosoana, na fampivoarana ny toekarena izay. Ohatra iray miharihary amin’izany ny fanakatonana orinasa Malagasy, sy ny famoretana na fanerena azy handoa hetra, nefa iaraha-mahalala fa sahirana avokoa ny orinasa rehetra eto amintsika hatramin’izao, ary indrindra ny fisian’ireo mpiasa tsy an’asa marobe vaovao avy amin’ireny orinasa maro ireny. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa, na dia tsy be mpitabataba aza satria tsy misy mihaino ny mitaraina, ny ataon’ny Jirama amin’ny jiro tapatapaka lava. Misy fiantraikany any amin’ny fiharian’ny olona ireny ary mipàka any amin’ny fitomboana ara-toekarena. Mazava loatra araka izany, fa fialàna bala fotsiny ihany ny filazana ny amin’ny fanakorontanana ailika amin’ny hafa.

Raha fintinina, tsy misy fandrosoana ary tsy an-dalam-pandrosoana mihitsy ny firenena ankehitriny. Santionany ihany ireo nambara ireo, fa maro ny tranga maneho izay fihemorana izay. Manopy midorehitra mena ny jiro tondro fanairana ankehitriny, ary tandindonin-dozan’ny fikorosohana fahana bebe kokoa indray amin’ny sehatra maro ny firenena. Tataovan-doza mafy ny vahoaka eo amin’ny fiainany andavanandro, miharitra ny trangan’olana maro isan-karazany. Zary nofinofy sisa ilay hiram-pirenena mba naniriana ny hahasambatra sy hiadana ho finaritra ity tany ity.

*RSF: Reporters Sans Frontières