Fampiatoana fandaharana politika – Domelin’ny fiarovan-tseza ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Nanaitra ny mpanara-baovao maro sy mpanao politika, ankoatra ny mpisehatra eo amin’ny haino aman-jery, ary indrindra ny mpanao gazety mandala marina ny fanalalahana, ny fepetra noraisin’izao fitondrana izao ny faran’ny herinandro teo. Nofehezina tsy hisokatra ny fandaharana manao famakafakana eto amin’ity firenena ity, indrindra ny famakafakana politika. Fa hoentina aiza marina ity firenena ity? Mampiharihary sy manamarina tokoa ve izao, fa olona tsy nianatra ary tsy natao hitàna ny familiana ny firenena no tonga eo amin’ny toerana? Tsy izany ve no tonga amin’ilay lazain’ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena hoe « accident de l’histoire »? Tsy misy na firenena iray aza eto amin’izao tontolo izao mangeja ny fahalalahan’ny haino aman-jery amin’izao olana ara-pahasalamana maneran-tany izao noho ny valanaretina coronavirus.

Iaraha-mahita sy mahalala tsara, fa tandindomin-doza ara-pahasalamana mafy ny vahoaka malagasy. Efa mihinankinam-poana sisa ny sarambabem-bahoaka iarovan-tena tsy ho faty toy ireo efa aman-jatony maro efa lavo izay. « Aina ity hoy Rainimanonja ». Iza no tomponandraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’izany? Ny fitondrana.

Mazava loatra, fa ny tokony ho laharam-pahamehan’izao fitondrana izao izany, raha tena manam-pahendrena tokoa, dia ny fiarovana ny vahoaka andro aman’alina. Ary tsy tokony handry andro na handry alina ireo miseho azy ho tomponandraikitra rehetra eo amin’izao fitondrana Rajoelina izao, hitady sy hikatsaka mafy ary hifofotra mihitsy araka izay tratry ny ainy ny fitadiavana vahaolana maika iarovana ny vahoaka entiny tsy ho lasibatry ny valanaretina mahery vaika izao, fa tsy tokony hanao fasana aloha no maha-maika.

Inona anefa no ihazakazahan’ny tomponandraiki-panjakana? Hifehy sy hanampina ny vavan’ireo mpisehatra rehetra manao famakafakana sy adihevitra eo anivon’ny haino aman-jery eto amin’ity firenena ity. Fa iza loatra ireo mpanolotsaina ao an-dapa mamily ho amin’ny lalan-dratsy ny firenena izao? Ireo mpandany ny volam-bahoaka fotsiny, fa tsy mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka Malagasy? Izany fepetra navoaka ny zoma teo izany ve no mahamaika azy fa tsy ny fahoriam-bahoaka andro aman’alina? Isan’andro misy Malagasy maro mamoy ny ainy, fa tsy izany no ifantohan’ny saina fa any amin’ny haino aman-jery manelingelina ny sofina sy ny saina. Manaova izay tokony ho hitsiny sy rariny ary amim-pahendrena amin’ny vahoaka Malagasy eto amin’ity firenena ity dia hilamina.

Zavatra tsotra izany. Fa raha domelin’ny politika sy fiarovan-tseza fotsiny ny saina dia hanaotao foana toy izao, toy izao ataon’ny fitondrana Rajoelina izao. Asa, hihemotra ho amin’ny laharana fahafiry indray ny firenena eo amin’ny sehatry ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra sy ny fampanjakana ny demôkrasia maneran-tany, taorian’iny fepetra ny zoma teo iny. Dia hahemotra hatrany ny toeran’ny firenena ary atao ho mena-mitaha hatrany amin’ny hafa ny Malagasy. Izay no anisan’ny hain’izao fitondrana izao sy mampiavaka azy amin’ireo teo alohany.