NA MISY NA TSISY NY VELY VILANY

Raha toa ka tsy mety ny vely vilany
Satria mbola misy ireo vita amin’ny tany,
Dia mety dia mety koa ny kiririoka,
Ka ampanenoy ary araho siotsioka.

Raha toa ka tsy mety ny vely vilany
Dia ‘ndao hihorakoraka eo an-tokotany.
Laroy antsoantso, kiakiaka misesy,
Na hisy aza hiteny f’ianao olon-dresy!

Raha toa ka tsy mety ny vely vilany,
Dia ataovy manako sy re eran-tany
Fa maro amin’ny gasy no noana sy reraka,
Miandry an’Ambatobevohoka ho teraka!

Raha toa ka tsy mety ny vely vilany,
Ny vavaka kosa azo akarina hatrany.
Na inon-kihatra na inon-kidona,
Meteza handohalika sady hifona.

Na misy na tsisy ny vely vilany,
Ny tanjona iraisana tokana ihany:
Ny MIARA-MANONJA no ifanekena,
Mba hoenti-manavotra ity firenena!

IRINA HO TAFITA (22-04-21)