NY VELY VILANINAY

Tsy vely vilany mitory hafaliana,
Fa vely vilany maneho fitakiana.
Miantefa amin’ireo izay minia toa matory,
Sy ireo efa voky ka tsy havan’ny ory.

Tsy vely vilany misarin-korana,
Fa tena ho fanairana ny fanjakana,
Satria tena tsapa ny firaikiraikiny,
Ka taomina izy mba handray ny andraikiny.

Tsy vely vilanin’ny olona adala,
Fa tena hisarihana ireo mahalala,
Kanefa dia miezaka manampi-maso
Sy mandrebireby amin’ny andrasoandraso.

Tsy vely vilanin’ny olona nandra,
Fa vely vilanin’ireo mba miandrandra
Izay ho fanampiana sy ho tolotanana
Tena fanao amin’ny olon-tsy manana.

Tsy vely vilany nataotao foana,
Fa vely vilanin’ny olona noana.
Mizaka ny mafy amin’ity fihibohana,
Ka mba miandrandra an’ilay vatsy tohana.

Tsy vely vilanin’ny mpamboly rotaka,
Tia milomano any anatin’ny fotaka.
Fa tena vely vilany am-pisainana,
Hoenti-maneho an’ireo fitarainana.

Tsy vely vilanin’ireo tia korana,
Sy mpandany andro amin’ny filibana.
Fa vely vilanin’ny olona lanaka,
Tsisy sakafo hamelomana zanaka.

Tsy vely vilanin’ireo mpisavoana,
Variana, sondriana mandany fotoana,
Fa tena hitenenana tsy vazivazy
Hoe: mialà ny mpitondra tsy mahavita azy!

TSIMIMALO (21-04-21)