EDITO 22 Aprily – Tokony ho sarotiny mandrakariva amin’ny harenan’ny fireneny ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Maro ireo toe-draharaha nafampana zary takona tato ho ato noho ny firongatry ny valanaretina covid-19 eto amin’ny firenena. Anisan’izany, ny raharaha efa nisy nampiakatra eny anivon’ny tendro amin’ny ady amin’ny kolikoly (PAC), toy ny resaka “écran plat”, ny “bonbon sucette”, sns… Tsy re mihitsy ny tohin’ireo raharaha ireo. Ary ny raharaha lehibe iray anisany narahin’ny maro kanefa toa tsy re mihitsy ihany koa ny tohiny, dia ny momba ilay volamena 73,5 kg sarona sy voatazona ao Afrika atsimo. Aiza ho aiza ny toe-draharaha ankehitriny sy ny tohiny? Nijanona teo amin’ny fisamborana olona maromaro teto an-toerana sy fampidirana azy ireo am-ponja no fantatra sy nampitaina tamin’ny haino vaky jery, ary ny momba ireo telolahy voatazona tao Afrika atsimo, izay nifangaroharo tamin’ny fanenjehan’ny “Interpol”, dia zary hatreo no fantatry ny vahoaka mazava. Hatreto tsy fantatra iza no trondro vaventy, atidoha niketrika ity raharaha maizina mikasa hanao tantely afa-drakotra hatrany ny harem-pirenena ity. Ho sarontsaronana amin’ny ady amin’ity fihanaky ny valanaretina mandavo ain’olom-pirenena maro ity ve ny raharaha maizina toy izany mitranga eto amin’ny firenena?

Manaitra ny sain’ny mpanara-baovao, ny zava-misy any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Eo ny resaka tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere, fa ny iray lehibe ihany koa ankehitriny, dia momba ilay fanomezana ny fari-dranomasina any amin’ny faritra atsimo andrefan’ny Nosy hofain’ny orinasa iray aziatika “Blue Ocean” hitrandrahany ny haren-dranomasina izay iray lehibe amin’izany ilay antsoina hoe “tselatselaka”. Efa fantatra ankehitriny ny hasarobidin’io haren-dranomasina io raha tsy dia notrandrahana loatra tany aloha. Voalaza fa mirefy 1000 ha ny velarana an-dranomasina kasain’izy ireo halaina ary misy an-tanety koa izany, velaran-tany mirefy 250 ha. Nisy fanoherana nataon’ny mponina efa hatramin’ny taon-dasa, ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. Hanao ahoana ihany koa ny ho tohiny sy ny hiafaràny? Tsikaritry ny mpandinika ny amin’ny fisian’ny paipaik’ady an-kafetsena ao anatin’ny raharaha. Ambara mantsy fa misy ny ampahany efa mankasitraka ny hidiran’ity orinasa ity, sy hitrandraka ny haren-dranomasina, ary lazaina fa vitsy no manohitra. Fomba fiady an-kafetsena efa fahita an-taonany maro nandrobana ny harem-pirenena teto izany fa tsy vaovao akory, ary tsy io any atsimo andrefana io ihany no nahitana izany politika maloto izany. Politika fanomezana vahana ny vahiny hanagorobaka ny kitapon-karem-pirenena Malagasy. Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy namakiana loha mihitsy izay vahoaka na mponina mibaby ny vokany sy voa mafy.

Tsy lavina, fa mafy ny ady atrehin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny na ara-pahasalamana na ara-tsosialy, kanefa tsy tokony ho very dia amin’izany izy, ka tsy hahara-maso ny harenany izay misy hatrany ny mitady izay fomba handrobana azy amin’ny fomba samihafa rehetra.