Gadra politika 10 mianadahy – Nahazo 2 hetsy Ariary avy indray avy amin’ny Vehivavy TIM

Helisoa

Mafy ny fahasahiranana mianjady amin’ny fianakavian’ireo gadra politika miisa 10 mianadahy, izay nosamborina tamin’ny hetsika nataon’ny depiote, saika hanao tatitra teo amin’ny kianjan’ ny 13 mey ny 20 feborary 2021. Ray sy renim-pianakaviana mamelom-bady amanjanaka izy ireo, kanefa tsy afaka miandraikitra sy manefa ny adidiny amin’ny fianakaviany ireto farany, noho ny famonjana tsy ara-drariny azy ireo. Nahatsapa izany ireo Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), ka nisy indray ny hetsika fanangonam-bola nataon’izy ireo entina hanampiana ny fianakavian’izy 10 mianadahy tao anatin’ny andro maromaro.

Vokany, vola mitentina 2 tapitrisa ariary no voahangona tamin’izany, ka nahazo 200000 Ar (2 hetsy Ar) tsirairay avy izy ireo. Raha atambatra dia efa eo amin’ny 10 tapitrisa ariary ny vola natolotra ho an’ireo voafonja hatramin’izay nijanonany teny amponja izay. Izany moa dia entina hanamaivanana ny fahasahiranan’izy ireo. Manoloana izany, ny Vehivavy TIM dia nanolotra fisaorana ho an’ireo mpiray tanindrazana eto an-toerana sy any ampitandranomasina, izay nanampy ny Vehivavy TIM tamin’ny fanangonam-bola nataony. Tsy adino Ny Diasopra RMDM, ny GTT atsy amin’ny Nosy La Réunion. Mbola ny 22 mey vao hivoaka ny fonja izy 9 mianadahy, noho izany dia mbola mitohy hatrany ny fanangonana vola hoentina hanampiana azy ireo, satria mbola misy eo amin’ny 1 volana no hijanonany any am-ponja.

Ny Vehivavy Tiako i Madagasikara ihany koa dia mampahery ny fianakavian’ireo voafonja amin’izao ady sarotra mahazo azy ireo izao.